airtel

Edito

25-avril-2022

Edito

Lazon’ady

Sample post image

Vita ny fifidianana Filoham-pirenena Frantsay, ary lany indray ny Filoha am-perinasa. Nitombina, tsy nivaona lavitra tamin’ny tsapan-kevitra na “sondage” efa nandeha ny voka-pifidianana vonjimaika,

25-avril-2022

ary heverina fa tsy hisy fiovana firy intsony. Aoka anefa tsy hanonofy ny eto, ka hilaza sy hieritreritra indray ireto mpitondra, fa ho lany 53% araka ilay tsapan-kevitra nataony, ary misy aza moa ny olon’ny Fitondrana toa manao revin-gadra sy nofy ririnina fa 60% mahery mihitsy aza fa tsy ampy izany 53% izany, raha ny zava-bitan’ny Filoha. Mampanongo tena hoe: mitapina inona loatra re ny mason’ireny olona ireny? Izay tokoa ny adidiny, tena manao ilay fanohanana ny Filoha ka na hisolelahana sy hanasana atidoham-bahoaka aza io tsy olana angamba. Lasa fampitsabahana ny Filoha akehitriny anefa ny ataon’ireo namany na mpanohana azy sasany, na efa hita izao aza fa maro ny lesoka sy ny tsy mety, dia takon’ny fisolelahana ka samy milaza ny ankamaroany fa mety avokoa ny atao na efa midona amin’ny rindrina matetika aza. Lesona mila jerena sy mila ampoizina amin’io miseho any Lafrantsa io ihany koa anefa ny fisian’ny lazon’ady politika, fa tsy hoe: ho mafy hatanjaka eo foana ianao, na koa hahomby mandrakariva ny amboletra sy ny don-tandroka. Mba manana ny sainy sy atidohany ihany koa ny hafa fa tsy ho “gana malemy” lava araka ny fiten’ny tanora eo foana. Taratry ny lazon’ady ara-politika ny zava-miseho sy mitranga any Lafrantsa io. Ekena fa resy ny hery an-kavanana, saingy nisy fivoarana hatrany tao anatin’ny 20 taona nisiana, raha raisina amin’ny vokatra azon’ny kandida avy amin’ny hery ankavanana Rtoa Marine Le Pen. 17,90% tamin’ny 2012, niakatra ho 33,90% tamin’ny 2017, ary tonga 41,8% eo ho eo tamin’ny fifidianana omaly. Manomboka misoko miadana, ary efa hita taratra ny fifandanjan-kery ara-politika. Miomana sy miketrika foana, fa tsy milavo lefona, henjana izany hoe: ao anatin’ny 20 taona mbola afaka mitazona ny tanjaka ara-politika izany, na mety mbola tsy nahazo Fanjakana tokoa aza. Toa misy sarisary tahaka iza ny eto, raha io lojikan’ny fifanandrinan’I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, saingy ny lesoka amin’ny fanaovana politika sy ny fifidianana eto, tsy ny vahoaka mpifidy irery no mpanapa-kevitra.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

mpanao politika fa azo iheverana ity fifidianana solombavambahoaka ho tontosaina ny 29 may izao ity

Card image cap