airtel

Edito

17-mai-2022

Edito

Mahafaty antoka ve ny mandamina ?

Sample post image

Ny taona 2018 – 2019 ny vondrona eoropeanina tamin’ny alalan’ny iraka manokana nalefany teto no efa nanamarika fa misy zavatra mila amboarina sy ahitsy ary hatsaraina amin’ny fomba fitantanana sy fikarakarana ny fifidianana eto.

17-mai-2022

Dia io ry zareo manaitra io indray; tsy hoe ny eoropeanina irery no nahatsappa sy mahatsapa izany fan a ireo herivellona sy mpisehatra politika eto an-toerana ihany koa aza.Firifiry ny fangatahana natao mialohan’iny fifidianana filoham-pirenena 2018 iny, saingy niroso ihany moa ny dia ho an’ny CENI.Efa tafapetraka ilay filoha sy ny governemanta vao nivoaka ny resaka hoe tena nisy ny “doublon”, izay zavatra efa nambaran’ny ekipan-dRavalomanana Marc (K25) tamin’izany fotoana.Tsy maintsy hiatrika fifidianana i Madagasikara ny taona 2023 satria mifarana ny 19 janoary 2024 nny fotoam-piasan’ny Filoha amin’izao fotoana. Asa na mba mahay mandray lesona ny mpitantana amin’izao fotoana na mbola hanohy ny politikan’ny be marenina sy be tsy mahita ary ny tsy te hiasa saina ihany; tsy aleo ve alamina dieny izao.Mahafaty antoka ve ny miresaka sy mandrafitra zavatra mba hisorohana amin’izay ity savorovoro isaky ny fifidianana ity.Misy ny vahaolana, fa mety ilay fahavononana hikaroka azy no tsy ao.Hiandry sintona lakolosy avy any ivelany fooana ve vao hanao zavatra fa tsy afaka ny hifampihaino ny samy Malagasy eto ? Asa aloha raaha efa tonga saina na miandry izay fidonany fotsiny, fa rehefa tsy misy ny vahaolana matotra raisina dia miverimmberina eto foana ny tantara e.
RTT
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap