airtel

Edito

18-avril-2024

Mahaiza mijery sy mandinika!

Ny fifidianana izao no malaza satria efa nahazo ny laharany avokoa izany izao

Sample post image

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

18-avril-2024

Henjakenjana ny fifaninanana satria hatrany am-boalohany no nandeha ny ady an-kamely ataon’ny klioban’ny volomboasary. Tsy tanjona ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana fa dingana ihany. Mitaky asa sy finiavana ary tena fitondrana ny hetahetam-bahoaka. Tena mitaky fahaiza-manao sy traikefa ary tsy mila mataho-maso mena raha tena hiaro ny tombotsoan’ny besinimaro tokoa. Ny fahefana mpanao lalàna araka izany anarany izany, dia natao hanao lalàna tena mifanaraka amin’ny tombotsoam-bahoaka, hanara-maso sy hanery ny mpanatanteraka, handinika sy handany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hifanaraka amin’ny tena filan’ny vahoaka miainga eny ifotony,… Andrim-panjakana tsy natao hianonkanona fotsiny io noho izany, fa tena mila mametraka fifandanjan-kery na “rapport des forces” amin’ny mpanatanteraka. Tsy ho mpitsikombakomba na ho saribakolin’ny fitondrana eo anatrehan’ny mpanatanteraka, tsy ho mpiaro ny fitondrana amin’ny tsy fahombiazany,… Dia anjaran’ny rehetra izany no mijery sy mandinika lalina hoe: iza tokoa amin’ireo kandida no tokony ho mendrika ho fidiana? Iza no tena hiady ho an’ny vahoaka fa tsy ho bolokin’ny mpanatanteraka? Mila mifidy am-paharanintan-tsaina noho izany ny rehetra fa tsy hanaiky habadoina amin’ny koveta lava eto!
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

fa nomenao vahoaka dondrona! Valalabemandry ialahy, hoy izy, rahoviana ihany vao valalabemifoha?

Card image cap