airtel

Edito

28-juil-2022

Edito

Mahery mpanampina

Sample post image

Tsy ny mpanjaka Radama II, hono, no ratsy fa ireo tandapa menamaso nampianatra azy hiliba sy tsy hiraharaha ny fanjakany.

28-juil-2022

Tsy ny filoha Ratsiraka koa hono no ratsy fa ireo manodidina azy. Toy izany koa hono ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, na Hery Rajaonarimampianina na iza na iza teo dia efa heno hatrany izay faharatsian’ny manodidina ny mpanjaka na filoham-pirenena nitondra teto amin’ity firenena ity izay. Tamin’ny andron’ny filoha Rajaonarimampianina moa dia fatram-pilaza ny mpiaradia amin’izao fitondrana izao fa mandeha foana ny fanipazana hoditr’akondro ao an-dapa ao. Dia mahagaga fa mbola vao mainka mampitan-takolaka amin’izao fotoana izao ny fisian’izany mpanimpy hoditra akondro ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ao an-dapany ihany ao izany. Tena mahery ny mpanampina ny sofiny sy ny masony, raha atao sarinteny ny filaza azy. Mbola maheno mpiaradia amin’ity fitondrana ity sy tandapa miteny ihany isika eto Madagasikara ankehitriny hoe mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena, tanteraka avokoa ireo velirano. Tena maso mijery sy sofina mihaino tsy misy fiangarana ve no milaza izany? Dia adala ve izany ny banky iraisampirenena namoaka tombana fa tafakatra ho maherin’ny 81% izao ny Malagasy farany mahantra? Firy taona izay namerenana ny fisian’ny COVID 19 sy ny ady atsy Okrainina izay? Tsy tokony niomanana alohan’ny hitondra ve ny fisiana krizy iraisampirenena na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. Tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany mihitsy ve izany krizy ara-pahasalamana na krizy vokatry ny ady izany sa efa nisy ihany fa tamin’ireny fotoana ireny aza mbola nanahirana lavitra satria mbola tsy nihazakazaka tahaka ny ankehitriny ny tekinolojia? Dia ho fitahana koa ve ny filoham-pirenena hoe mahaleontena sy afaka mampiasa tsy am-pihambahambana ireo harem-pirenentsika isika nefa I Tsimiroro sy Bemolanga aza hatramin’izao mbola ireo tsy hita ho atao ho inona ireo? Ny volamena miondrakondram-poana hatrany anaty minisitera? Ny fari-dranomasina nomena hiasan’ny vahiny amina hofany an-tapitrisa dolara monja nefa tamin’ny fotoan’androny nenjehina mafy mihitsy ny filoham-pirenena teo aloha raha nampanofa tany tamina vidiny miliara dolara? Mahery hatrany aloha hatreto ireo mpanampina ka enga anie tsy hanenina!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap