airtel

Edito

12-avril-2024

Maika ny ho depiote!

«Mitodiha vetivety! Mbà henoy ny vavakay! Ny eny ambony eny efa mety.

Sample post image

Ny ety ambany mbà androtsahy!». Mahatsiaro izany tononkiran’ny tarika Mahaleo izay teraka ny taona 1985

12-avril-2024

izany dia lasa ny saina hoe mbola izany foana tokoa moa izany hatramin’izao no iainan-dRamalagasy ity aty amin’ny taona 2024, 39 taona aty aoriana aty? Mba miezaka foana mivavaka na hoe «miresaka amin’ny vava» amin’ireo mpitondra misy eo lalandava ihany saingy dia mbola izao mitombo fahasahiranana izao hatrany. Tamin’ny fotoana niakaran’ny vidin-tsolika maneran-tany dia niakatra koa ny vidin-tsolika teto. Nony nidina anefa ny vidin’izany, azo lazaina hoe nitotongana mihitsy aza, saingy ny teto tsy mbola nety nidina izany fa niverina niakatra indray aza rehefa niakatra ny vidin’ilay nitotongana. Nitarainana mikasika izany ny mpitondra neverina hoe tandrify, moa va nihaino hatrany? Midangana ny vidim-piainana, hatramin’izao mirongatra ny tsy fandriampahalemana, ny resaka fifohana «maoly» sy fanolanana no heno isan’andro sy manenika ny tontolon’ny tanora, eny, ny zaza malagasy ankehitriny. Tsy ela fa vao omaly indray izao no nahenoana vaovao mifandraika amin’izany tany Melaky tany. Mampivarahontsana tanteraka hoe hanao ahoana re ny hoavin’ity taranaka malagasy ity manoloana izany rehetra izany? Manoloana ilay zava-misy, inona anefa moa no ataon’ny ankamaroan’ireo mpitondra taorian’ilay hoe 100 andro neverina nanaovana tombana azy ireo? Hilatsaka depiote! Na ny toekarena na ny sosialy na ny fanatanjahantena na inona izany tao anatin’izany rehetra izany samy mampametra-panontaniana avokoa hoe inona tamin’ireo no nandeha dia ny maha maika ireo mpitondra voakasik’izany dia ny hoe andeha hilatsaka depiote! Rahoviana ny malagasy no mba mety ho afaka hihinana izay sakafo tsaroan’ny vavany amin’izay fa tsy voatery hihinana «riz cantonais»? Na ny olana tahaka izany aza tsy voavaha fa dia maika ny ho lasa depiote! Toy ny mahazatra moa dia handeha indray izany izao ny fisehoana an-tsary marobe toy ireny dia tena akaiky vahoaka fatratra ireny daholo ireny ery! Ho zarazaraina ny kovety sy sio mbamin’ny tositosika isan-karazany satria akaiky ny fifidianana. Ho avy ny propagandy. Mampiseho sary hoe akaiky vahoaka aloha satria maika ny ho depiote!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

fa nomenao vahoaka dondrona! Valalabemandry ialahy, hoy izy, rahoviana ihany vao valalabemifoha?

Card image cap
26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap