airtel

Edito

11-juil-2025

Maika ny tena vahaolana!

Raha mbola samy monina sy miaina eto amin’ity Madagasikara

Sample post image

ity ka mandinika ny zava-misy eto amin’izao fotoana izao dia heverina fa

11-juil-2025

na minia mikipy sy tsy mandre na efa tafala tanteraka amin’ny tany ny tongony, mba tsy ilazàna hoe lasa adala, raha toa ka mbola milaza fa tsy mandalo olana izao firenena izao. Samy mahalala ny rehetra fa mandia olana goavana ny firenena malagasy amin’izao fotoana izao dia ny fahantrana lalina sy miavosa manjo ireo tokantrano maro. Misy aza moa ireo mahita fa tena mbola tsy tafatsangana mihitsy izany firenena malagasy izany hatreto. Isan’ireo firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany no misy antsika nefa ireharehàna foana isan-taona, tao anatin’ny 65 taona izao, fa efa mahaleotena ilay firenena. Mampanahy fatratra ny hoavin’ny orinasa JIRAMA, izay hany sisa ambara ho orinasam-panjakàna ankehitriny. Potika ny fihariana maro vokatry ny tsy fahatomombanan’izany hany orinasa tokana mpamatsy herinaratra sy rano izany. Orinasam-panjakàna maro fahiny no efa lasa fahatsiarovana sisa. Maty hatramin’ny anaran’ny sasany. Hatramin’ny 10% isan-taona no tsikaritr’ireo sendika ho fiakatry ny vidim-piainana isan-taona nefa tamin’ny ankapobeny, ny taona 2022 no nisy fisondrotan-karama farany. Tsy mahagaga raha manjaka ny tsy fandriampahalemana. Manjaka ny endrika fifanambakàna samihafa eny anaty fiarahamonina eny. Ny fiara fitateram-bahoaka sasany ety an-drenivohitra izany, tsy tahotra, tsy henatra, mbola tsy mitataovovonana akory dia efa mikasa hanary an-dalana mpandeha. Tsetsatsetsa tsy aritra entina ilazàna izany rehetra izany fa hita ho miha manary hatramin’ny soatoaviny sy fahendreny toy ny fihavanana sy fifampitsinjovana amin’izao fotoana izao io malagasy io. Mila fitsaboana izany rehetra izany. heverina, noho izany fa maika ny tena vahaolana fa tsy sanatria fanohizana ny olana efa mameno ny tany sy ny fanjakàna amin’ny alalan’ny seho ivelany lava hanakonana fahantram-bahoaka indray no hanampy trotraka ny fahoriam-bahoaka eto amin’ity Madagasikara ity! Maika ny tena vahaolana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

sarotra ny Firenena na eo aza ny

Card image cap
16-juil-2026

ity ny faraparan’ny taona 1940.

Card image cap