airtel

Edito

13-janv-2022

Edito

Mamita fotoam-piasana sisa…

Sample post image

Mamita fe-potoana iasana sisa, fa raha izay fahagagana heverina fa hataon’ity Fanjakana ity momba ny fandrosoan’ny firenena toa ho lavitry ny kitay ny afo

13-janv-2022

. Fitantanana miainga amin’ny toe-javatra miseho rahateo no eto fa tsy misy sori-dàlana mazava eo amin’ny teboka aiza isika izao ary teboka aiza no tanjona ? Miakatra ny vidin’ny entana ilaina andavanandro dia iny aloha no ifantohan’ny mpitondra Fanjakana mivadika ho raharaham-pirenena hoe : hanafatra sambo 20 isika. Miodinkodina eo ny andro sy ny fotoana, may indray ny « transformateur » an’ny Jirama any Andekaleka dia iny no lasa raharaham-pirenena ritina lava be hoenti-mandoka sy manome voninahitra ilay filoham-pirenena, ary izy mihitsy no midina an-tsehatra, saingy arakaraka ny ny nidinany tany no nampiakatra ny halavan’ny delestazy hisy hatrany amin’ny 12 ora tsy miato be izao,… Miankina amin’ny kiana amin’ny facebook sy ny toe-draharaha miseho tsy am-poizina ny fitantanana firenena, fa tsy misy sori-dàlana mazava izany intsony eto. Zary famafazana fampanantenana no manamarika ilay Fitondram-panjakana, ary tahaka ny tsy misy mpitondra afatsy tsy olon-tokana eto, ka iny hatrany no ezahina hasongadina. Indraindray toa tsikaritra ny hoe : mamorona olana, avy eo mitondra vahaolana mba hahatonga ny olona hihoby sy hidera ilay Filoha, tafiditra ao anatin’ilay làlan-tsaina filalaovana saim-bahoaka na « strategie de manipulation des masses » noresahin’ilay manam-pahaizana Noam Chomsky. Telo taona nitantanana ny firenena izao, ekena fa maneho an-tsary ho niasa, nahavita zavatra, nanangana fotodrafitrasa ary milaza mbola hanangana betsaka,… Raha ireny no hifampitanisana mety mba nahavita ihany koa ny hafa, ary mety nahay nitsinjo sy nanavaka ny tena ilaina maika sy kirendrarendra sy ny seho ivelany aza. Efa miditra amin’ny taom-pifidianana isika amin’izao fotoana izao, ny velirano sasany anefa ity toa vao manomboka ka asa hoe: amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fahagagana? Raha nisy ny hoenti-manana efa ela ireny no natao fa matoa aloha mihisatra dia ny vola mihitsy no tsy ampy na tsy misy. Izay IEM izany toa efa natelin’ny fotoana, izany PEM izany toa adino, ny velirano zary tsianjery sisa, ny Plan Marshall tsy hita izay vokany,… Hatramin’izao mbola mametraka olona ao anaty rafitra matoa manodidina ny 60 no olona ambony notendrena omaly, ireo ambasadaoro anefa hatramin’izao tsy misy,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap
26-mars-2024

niorina tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, raha izay no azo ilazana azy.

Card image cap