airtel

Edito

09-juil-2021

Edito

Mamofona kajikajy sisa

Sample post image

Ny sasany tonga avy any dia mamory vahoaka “tsy misy fepetra” sy mampametra-panontaniana hoe tsy hay sakanana ve sa tsy sahy norarana mihitsy?

09-juil-2021

 Efa ela koa moa no niresahana teto fa tsy mivaky loha intsony amin’izany hahamehana ara-pahasalamana izany, raha ny hita tato ho ato, ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity firenena ity. Lafiny ara-java-kanto sy fiainam-piarahamonina ankapobeny no niresahana izany, andro vitsy lasa izay, fa ny hany izay tena maha lasa ny saina eto amin’izao fotoana izao dia ny hoe tsy hita mamofona fampandrosoana marina mihitsy hatramin’izao eto amin’ny firenena fa dia mamofona kajikajy sisa izay fihetsika politika miseho rehetra. Iny fanangonana olona tany Toliara farany teo iny moa izany no isan’ny nanaitra indrindra satria saika voasolo tena tao anatin’ny fanotronana izany daholo ireo faritany miisa 6 sy ireo faritra 22 eto Madagasikara. Saika hita tao anatiny tao daholo ireo heverina ho raiamandreny isam-poko sy isam-paritra. Heverina fa tsy azo tsinontsiniavina ary misy dikany ireny eo amin’ny lafiny atao hoe politika na dia antony ara-panatanjahantena aza no voalaza fa namoriana ireny olona marobe ireny. Tsy tokana ihany kay ny mpisehatra politika havanana amin’ny fanaovana “show” eto amin’ity firenena ity, mba tsy hilazana hoe mpitondra, fa mbola misy hafa koa ary efa tombanan’ny maro ho isan’ireo hihazakazaka amin’ny 2023. Hanjary ho saha hifandrombahana “showman” avo lenta ve izany ity Madagasikara ity manomboka izao ary dia tsy hiaina afa-tsy ao anaty sary mamirapiratra sy mampanofinofy fandrosoana sisa isika fa tsy tena hiaina izay fandrosoana izay mihitsy? Dia gaga ianao mahita ihany koa ireo mpiaradia akaiky amin’ny fitondrana izay manao antsoavo amina karazana haino aman-jery sy tambazotran-tserasera sahady hoe “izay minisitra na governemanta afaka hanomana ny 2023 amin’izay prezida jerena!”. Ny kere sy tsy fandriampahalemana ary fidangan’ny vidim-piainana anefa ity mbola mampikaikaika ny maro. Nivory niaraka tamin’ny governoram-paritra koa moa iny omaly iny ny minisitry ny atitany. Samy maminavina izay mety ho dikan’izany rehetra izany ny rehetra ao anatin’izao fahantram-bahoaka miha lalina izao.
J. Mirija

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Adinoy ny lasa fa aza adinoina ny lesony, hoy ny mpilalao sarimihetsika amerikanina sady ikoizana amin’ny haiady malaza maneran-tany, Chuck Norris, izay!

Card image cap
12-avril-2024

Ny ety ambany mbà androtsahy!». Mahatsiaro izany tononkiran’ny tarika Mahaleo izay teraka ny taona 1985

Card image cap