airtel

Edito

24-févr-2021

Edito

Mampanahy

Sample post image

Asa hoe firy isan-jaton’ny Malagasy ankehitriny no mbola mino fa zava-dehibe

24-févr-2021

 

mihoatra ny fanarahan-dia firehana na antoko politika na olona iray ny fikatsahana izay hampandroso ity Madagasikara ity. Zava-dehibe lavitra noho ny fanoherana na fanohanana be fahatany ny fitondrana mijoro ankehitriny ny fihavanana tena izy eo amin’ny samy olom-pirenena. Mampanahy ankehitriny ny zava-miseho eny anivon’ireo haino aman-jery sy tambazotran-tserasera maro manoloana ity fandairan’ny politikan’ny zarazarao hanjakana nambolen’ny frantsay ity. Izay tokoa angamba ilay hoe kolontsaim-pankahalana hatrany no novolena nanomboka tamin’izany fotoana izany. Samy manatsikafona ireo heveriny ho fiainana manokan’ireo mpifanandrina daholo izay te hanatsikafo izany. Tsy vitan’izay fa iaraha-mahita, saika isan’andro, ny fifanevatevana sy fifanompana. Hatramin’ireo heverina tokony hitaiza anaty haino aman-jery nantenain-kanirina aza moa maika mampivandravandra sy toy ny mampirisika vahoaka mihitsy hoe ankahalao iry na ranona sy ranona. Sanatria ve irian’ireny karazan’olona mpamboly fifankahalana ireny tokoa ny hisian’ny fifandonan’ny samy olompirenena toy ireny tany Rwanda tamin’ny fotoan’androny ireny eto vao ho tonga saina hanaja ny soatoavina sy hijery izay anjara birikiny ahafahana mampandroso ny rehetra ?

J. Mirija

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap