airtel

Edito

12-juin-2023

Edito

Mampanantena mazia

Sample post image

Mbola sahy hiziriziry sy hanaboribory resaka ihany ve ny Fitondrana volomboasary fa tsy misy krizy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana?

12-juin-2023

Mbola sahy hiteny fa milamina ny fitantanan-draharaham-panjakana ankehitriny? Na tiana na tsy tiana, efa porofo mivaingana manabaribary ny krizin’andrim-panjakana io zava-misy eo amin’ny governemanta sy ny antenimierampirenena io. Toa efa maneho, fa sarotra ny fifehezana ilay andrim-panjakana mpanao lalàna izay ny antokon’ny Fitondrana no manana ny maro an’isa. Sarotra ny toerana misy ilay Filoham-pirenena satria sady tsy te ho ratsy na eo anatrehan’ny ankilany ary tsy te hanana olana manoloana ny andaniny, hany ka toa hodiana tsy hita eo. Efa misy fiantraikany amin’ny fanodinana ny raharaham-panjakana anefa. Ny ao anatiny aza tsy voalamina mainka fa firenena ? Ny rehetra no mila mandinika amin’ny fijery mahitsy, fa raha firenena nolazaina fa an-dalam-pandrosoana i Madagasikara hatramin’izay, dia firenena efa tafalentika tanteraka ao anaty fahantrana sy fahasahirana ankehitriny. Tsy an-dalam-pihemorana na andalam-pahasahiranana, fa efa tena tafalatsaka anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana. Tsy finiavana hivoy zavatra miiba, fa efa tena tsy takona hafenina intsony izao. Mety misy ny lesoka sy fahadisoana avy amin’ny vahoaka, fa tompon’andraikitra feno ny mpitondra firenena izay mandidy sy manapaka amin’ny fitantanana an’I Madagasikara. Tena izao ve ilay nampanantenaina tamin’ny propagandy? Tanisaina sy hanalana vokony hatrany ny krizy sy olana iraisam-pirenena ka sao tsaratsara kokoa no manaja tena satria rehefa tarafina dia fitadiavana izay hanilihana ny tsy fahombiazana sisa fomba fiasa? Ny antoko na vondron’antoko aza efa mifanipaka toy ny valala an-karona tsy voalamina ka mainka fa I Madagasikara ? Inona no ho vanona ao anatin’izany ? Izao no mbola hotohizana 5 taona ? Aty amin’ny fotoana farany no toa mandeha mandadiladv sy miantso vonjy amin’ny mpitondra vahiny, dia mandeha avy ny serasera fa hanohana ny fandaharan’asa PEM hono i Lafrantsa ! Programa sy olana ara-toekarena sy ara-tsosialy inona intsony no antenaina ho vita sy hivaha ao anatin’ny telo na efatra volana sa hatao tahaka ilay hoe : « fiioooooo » dia nitsahatra ny orana ? Tena ampy kosa angamba izay ny fiheverana ny Malagasy ho tahaka ny zazakely e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

fa tia an’ity Madagasikara ity tokoa ny mpitondra, nilazana fa vina sy hevitra, nanehoana fa hitondra

Card image cap
02-juin-2025

hoy ny hiran-drizalahy mpanakanto izay. Inona tokoa moa no hihazakazahan’ny mpanararaotra fihenam-bidy,

Card image cap