airtel

Edito

15-mai-2024

Mampihanahana!! Mampihanahana!!

Tena mampihanahana amin’izao fotoana izao ny fivadiky ny toe-draharaha misy eto amin’ity firenena.

Sample post image

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

15-mai-2024

toherin’ny fitondrana ankehitriny. Ny kandida nanohitra ny fitondrana indray no misy lasa tena hoe atolotry ny vondrona tarihin’ny fitondrana. Filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC teo aloha izay tena fatra-piaro ilay fitondrana nijoro ary nalaza mihitsy ny fehezantany fameriny ny taona 2018 hoe «Azo raisina fa tsy mitombina» no zary toy ireny olobe faran’izay hendry indrindra teto amin’ny firenena ireny ankehitriny. Toy ny hoe tsy nanana ampahana andraikitra na dia kely aza ka nahatonga ilay firenena ho lasa amin’izao toerana farany mahantra eran-tany izao fa dia manentana sy miangavy ny amin’ny mba hirosoana amin’ny ala faditra isam-poko no sady mampitandrina hoe tandremo fa misy minia manota fady eto amin’ity firenena ity! Tsy misy mpifahavalo mandrakizay moa eo amin’ny politika, hoy ny filoham-pirenena teo aloha iray izay. Azo raisina ho tsy diso izany fanehoan-kevitra izany saingy ny tantaram-pirenena nefa dia mitohy ary tsy maintsy miantraika amin’ny zava-misy ankehitriny ny zava-misy tany aloha tany. Inona moa no antony mahatonga ny mpitondra fivavahana sasany hilaza fa tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika raha tsy ny fitohizan’ny fiheveran’ny mpanao politika sasany sy ireo izay efa nametraka dian-tanana nampivarina ity firenena ity ho avy nandalo afo fandiovana fotsiny izao hatrany? Izay avy ivelan’ny fitondrana ka fatra-pitsikera ny fitantanana tsy mety ataon’ny mpitondra dia nangiana na lasa fatra-piaro ilay fitondrana sy nahavita niray petsapetsa tampoka tao indray rehefa nomena toerana ny ankamaroany. Rehefa very ny toerana dia miverina mitabataba indray sy toy ireny tsy nisy pentina ireny. Rahoviana ihany izany vao tena hisy mpanao politika na olompirenena tena hampiseho fitiavan-tanindrazana marina ka tena hitondrana na fara-faha ratsiny hitarika ny tena fanavotana ity firenena miha fara-idiny ity? Rahoviana no tena politika amin’ilay famaritana grika hoe fanasoavam-bahoaka sy firenena no hibahan-toerana eto fa tsy ho fikaramana an’ady politika na hoe «mercenariat politique» intsony?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap