airtel

Edito

14-nov-2025

Manangana ny rava!

Fitondràna voatery mamindra

Sample post image

ambony atody izany izao no misy,

14-nov-2025

hoy ny fanazavàn’ny mpitarika izao tetezamita eto amin’ny firenena izao. Firenena efa potika no noraisinay, hoy ny Kolonely Michael Randrianirina izay. Mahatsiahy ilay hira nanakoako nataon’ny mpifaninana mivantana tamin’ny mpitondra teo aloha izay, fampielezankevitry ny fifidianana filoham-pirenena 2018 iny, hoe «Mpanangana fa tsy mpandrava». Taona 2009 hatramin’ny 2018 tsinona dia voapofo fa maro tokoa ireo rava teto amin’ity firenena ity, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo orinasam-panjakàna neverina fa tena hatanjaka hatramin’ny farany sy mba ho reharehan’ny firenena toy ny Air Madagascar sy ny Telma na Telecom malagasy teo aloha. Maro ny rava tao anatin’ny 9 taona monja. Nalaza ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena maro toy ny andramena sy ny sokatra. Isan’ny fanontaniana mbola manitikitika hatramin’izao ny hoe natao aiza ny vy tao Soalala? Nahoana no nisy mpikamban’ny tetezamita teo aloha, praiminisitra tamin’ny fotoan’androny mihitsy, no nahavita nampiditra fiara tsy mataho-dalana miisa 350 be izao dia nambara tamin’izany fa fanomezana? Asa moa tamin’izany fotoana izany hoe iza tamintsika no nino an’ireny fanazavàna ireny? Inona teto amin’ity firenena ity no natao takalon’ireny? Niampy 7 taona indray avy eo ny faharavàna. Tao ny raharaha volamena 73,5 kilao, ny volamena nivadika vy, saika ity karazana harem-pirenena rehetra ity, hatramin’ireo zava-manan’aina toy ny sokatra sy ny gidro dia saika samy niondrakondrana tatsy sy taroa avokoa. Heverina fa tsy misy teny mahalaza izany zava-nitranga tanatin’ny 16 izany ankoatran’ny hoe faharavàna tokoa. Manangana ny rava izany isika izao koa inona tokoa moa!? Rafitra manangana ny rava no tsy maintsy hajoro!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nahazatra sy nahaliana izany

Card image cap
05-mars-2026

Hatrany am-piandohan’ny

Card image cap