dia mitondra vahaolana kely avy eo, hany ka tahaka ny hoe anjely mitondra fahagagana kanefa fihemorana no hita. Io iaraha-mahita io, ohatra, ny resaka vidin-jiro, izay zava-dehibe aloha ny hoe: tsapan’ny Fanjakana izany, fa mafy sy mangidy ary tsy zakan’ny olona. Nakarina ny hidangana ny vidiny, avy eo milatsaka ny didy hoe haverina amin’ny teo aloha. Ny eo ihany izany no eo rehefa halefa lavitra ny saina, saingy toy ny hoe tena nahita vahaolana goavana sy manavotra vahoaka. Maro ny zavatra, toy izany, ary raha miverina amin’ny tantara tany aloha mihitsy isika, toy ny lafiny toekarena, dia niainga tany amin’ny harin-karena faobe ambony indrindra aty Afrika nahatratra 7,1% isika, nitotongana tany amin’ny tetezamita, niakatra kely tamin’ny Fanjakana teo aloha, izay nahatratra 5,4%. Teo amin’ny 2020 niiba -4,2%. Handeha indray ny fanamby taorian’ny tsy fahaiza-mitantana ankoatra ny fiantraikan’ny krizy tsy voafehy, fa hakarina 4,5% amin’ity taona ity. Mety tsy ho tratra io, saingy mety mba hiverina hiabo 1% na 2%, dia handeha indray ny fandokafan-tena, fa raha niiba teo aloha efa miabo, kanefa very lavitra hatrany amin’ny tany aloha. Fomba fiasa sy fiady ao anatin’ny paikady hoenti-milalao saim-bahoaka izany na “stratégie de manipulation de masse” izany. Ny hita sy tsikaritra ihany koa, dia toa tsy hita na hodiana tsy hita ny olana samihafa, ary rehefa mirehitra sy mafana ny afo vao mikorapaka: grevin’ny fampianarana, olan’ny fadin-tseranana, olan’ny jiro sy rano, kere any Atsimo,… Tena manavotra ve sa sanatria milalao aim-bahoaka ny Fanjakana? Tena tsy manam-bahaolana sa misy ihany fa rehefa tena mirehitra ny afo vao vonoina amin’ny vahaolana mba hampisehoana amin’ny rehetra fa tena miasa ?
Toky R
fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.
ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.