airtel

Edito

12-janv-2021

Edito

Mandeha ny fanadihadiana…

Sample post image

Ny raharaham-pirenena tsy mandeha main’ny laoniny intsony, ny fianana ara-

12-janv-2021

 

 

tsosialy mihasarotra andro aman’alina, ny lafiny toekarena sy misy azo antenaina firy, ny afera maro samihafa manao tohivakana ny fahavakiany am-batolampy,… Mitana ny sain’ny maro ny resaka trafikana volamena goavana, izay toa zary maneso ny firenena Malagasy. Ny harena eto amin’ny firenena olom-bitsy no miliba sy manao tantely afa-drakotra azy, fa ny olom-pirenena mahantra fadiranovana. Tsapa ho mikorapaka tsy mandry andro tsy mandry alina ny mpitondra. Tsy miampanga azy ireo, fa hitsikitsika tsy mandihandihy foana fa ao raha, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy. Toa mandeha ny karazana ala bala fa tsy vao izao no nisiana fanondranana, mandeha ny fanenjehana fa mpanakorotana sy misakana fampandrosoana izay mitsikera sy manohitra ny hitany fa tsy mety. Aleo, hono, handeha ny fanadihadiana, fa tsy mety ny tonga dia manonona sy manasoketa olona. Ny zava-misy anefa, toa efa tsy misy mamaly amin’ny alalan’ny porofon-kevitra mafonja sy azo raisina ireo ampamoaka sy fanontaniana momba ireo olona ao anaty fanjakana toa ahiahiana mafy. Raha havela handeha tsotra tokoa ny fanadihadiana. Moa ny Fanjakana ve hanenjika sy hamely ny olona ao anaty Fanjakana ihany raha misy olony tokoa ao kanefa mety samy manao? Firy izay hoe aleo handeha ny fanadihadiana izay no very an-javony ? Tsiahivina foana fa nanao fitoriana ny mpitondra tetezamita noho trafikana boaderozy ny Pr Zafy Albert fahavelony, namoaka lisitra ny Praiminisitra Atoa Omer Beriziky, nanao ampamoaka momba ny boaderozy tao Iavoloha i Rolly Mercia sy Fidèle Razara Pierre,… moa mba nisy tohiny fitoriana samihafa? Moa sahy nandà izany ny mpanohana fitondrana ?

 Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap
26-mars-2024

niorina tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, raha izay no azo ilazana azy.

Card image cap