airtel

Edito

11-mars-2024

Manjono vahoaka !

Somary nangingina ny raharaha politika

Sample post image

tamin’iny faran’ny herinandro iny ! Somary takona tao anatin’ny

11-mars-2024

adihevitra mikasika ny fiainam-piarahamonina toy ny resaka fanolanana, ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fanajana ny zon’ny vehivavy,… Mba samy nanararaotra an’iny nentina mba nitady hirika politika hatramin’ny lehilahy ihany koa aza, raha tarafina amin’ny fihetsiky ny mpanao politika sasany. Manana ny toerany eo amin’ny firenena rahateo ny reny, ny vehivavy,… na dia mbola tsy tena tafapetraka aza ny fifandanjana eo amin’ny fandraisana andraikitra, raha ny tontolon’ny politika no jerena. Akaiky ny fifidianana solombavambahoaka ka asa hanao ahoana ny ho taham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy sy ny taham-pahalaniana ? Na somary takotakona aza ny politika, efa betsaka ihany koa ireo mikofokofoka mafy, maneho fihetsika sy fombafomba hanehoana fa tena akaiky vahoaka,… Tena misy mihitsy aza ny manao ny tsy fanaony ara-bakiteny, ary mandeha hatrany ny endrika fanambakana sy filalaovana vahoaka amin’ny kizarazara. Marina fa sambatra ny manome noho ny mandray, ekena dia ekena fa tokony hatao ny mihaino sy manantona, ary mandray ny hetahetam-bahoaka, mijery izay marary sy manahirana azy,… Ny toa mampihomehy sy mampalahelo anefa, dia misy ny olona na vondron’olona hatramin’izay tsy hita izay tena natao, fa rehefa akaiky ny fifidianana vao mandeha mandeha manjono vahoaka fa tena miasa sy mijery na mbola tsy tonga eo amin’ny toerana aza. Mandeha any ambany tanàna, mijobo-drano, manala tsikafona, mizara koveta,… dia ireny alaina sary sy haparitaka mba hambaboana ny fon’ny mpifidy. Moa tsy sary efa nandeha ve izany ? Moa tena politika nentina nanakaikezana ny vahoaka sy nihainoana ny hetahetany sa natao mba hanjonoana azy sy hakana ny vatony ? Moa mba tena manao ny asany dia ny hiady ho an’ny tombotsoam-bahoaka ve rehefa tonga eo sa manonitra ny lany tamin’ny propagandy sy mampitombo ny ambaidahin’ny bizina ? Raha tena nanao ny asany ny mpizara koveta moa ho potika tahaka izao ve ny làlam-pirenena ? Hidangana ve ny vidim-piainana ? Ho faty ve ireo orinasam-panjakana,… ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap