mahery raha resaka fivoahana ny Firenena. Zary nataon’ny olom-pirenena vazivazy aza eo anatrehan’ilay fizakana zom-pirenena vahiny ny hoe : tsy tamana eto Madagasikara intsony sy mazoto mandeha mitsidika tanindrazana. Mety sambany na tsy dia fahita teto hatramin’izay ny hoe : tao anatin’ny valo na sivy volana nitondrana dia efa nihoatra ny folo ny fandehanana tany amin’ny firenen-kafa izay manome salan’isa iray isam-bolana farafahakeliny. Tsy ny fandehanany any no ratsy fa kosa mba maka lesona sy traikefa sa lany andro manao serasera sy midoka ny hafa ? Tapitra voatety mantsy ireo vazan-tany, fa toa ny fomba fitantanana sy firesaka toa efa mahatofoka ny sofina mihaino no miverimberina, ny fitantanana tsy mahomby hatramin’izay no hamafisina,… Raha tena naka lesona tamin’ireny dia tany amin’ny vahiny ireny tokoa ve tsy mba efa hita soritra sy maty paika ny laharam-pahamehana fa tsy trosa manandevo sy haingo ambony tsikoko lava ? Vao andro vitsy izao no nanao serasera sy nihoby mafy ny sinoa fa tena lasa lavitra amin’ny resaka angovo sy herinaratra. Eto ambonin’ny tany tokoa anie ka izy ireo no manana tohodrano famokarana herinaratra goavana indrindra, laharana faharoa era-tany ara-toekerana sy ara-barotra,… Zava-dehibe ary mahatalanjona ny fahaiza-manaony, saingy tsy vitan’ny nampanofinofy 400MW ambony latabatra izy dia nijanona teo, fa tena niasa, nifofotra, nahay nijery ny laharam-pahamehana, nahay nanome lanja ny vahoakany ho hery ara-toekerana fa tsy nanabado azy tamin’ny hani-masaka na fanomezana tsy mahavita taona, nanome lanja ny fianarana sy ny fanabeazana, nanome sehatra ireo manam-pahaizany fa tsy nanao valalan’amboa,…
Toky R
ihany ny tokontanin’ity fifidianana kaominaly ity,
mponina ato anatiny rehefa zohiana amin'izao zava-misy izao.