airtel

Edito

22-févr-2022

Edito

Mbola gidragidra hafa koa

Sample post image

Samy miandry ny ho fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika ny mpanara-baovao. Ahoana ihany ny ho tohiny? Iza no hodakana ary iza no hotazonina?

22-févr-2022

 Ho sahy hanala an’i anona sy anona ve ny Filoha? Ireo no isan’ny fanontaniana manitikitika ny sain’ny maro. Tsy misy fitoniana ny toe-draharaha politika ao anaty Fanjakana, ary taratry ny tsy fahamatorana sy ny tsy fahavononana hitondra firenena hatrany am-piandohana ny zava-misy. Ao anatin’ny 3 taona, efa hiditra fanindiminy amin’ny fikitihana na fanovana mpikamban’ny governemanta. Efa notaterintsika teto omaly, fa minisitra 5 tamin’ireo niainga tany am-boalohany ny 24 janoary 2019 sisa tavela ao anatin’io Fanjakana io, fa ny minisitera rehetra izany dia efa nisiana fanovana olona avokoa. Mbola baraingo hafa mipetraka ny hoe: ahoana marina moa izany ny mason-tsivana amin’ny fanendrena ireo mpikamban’ny governemanta. Mbola mitoetra ve ny resaka “quota” satria malaza fa misy olon-kafa tsy manana fahefana ara-politika fa mety manana fahefana ara-bola ivelan’ny Filoha manana fahefana hanendry olona ao anaty governemanta? Eo no mahatonga ilay fanontaniana hoe: fa iza marina no mitondra ny firenena? Tombotsoan’iza no harovana eto? Tonga hatramin’ny resaka sy fandalinana, fa mihavitsy ny tena olon’ny Filoha ao anatin’io governemanta io, ary misy tetika avo lenta handemena azy. Ahiana mbola ho gidragidra hafa koa noho izany ny fitsinjarana toerana ao anaty governemanta. Raha raisina amin’io, tsy ny mpanohitra velively no olan-dRajoelina, fa ireo mpamosavy malemy manodidina azy. Andrasana indray izay mety ho endriky ny fanovana ho avy satria na ireo olon’ny Fitondrana aza misy tena maneho fa fanovana governemanta mihitsy no ilaina fa tsy famenoana ny toerana banga. Tena hitondra fiovana sy fahagagana amin’ny fomba fitantanana ny firenena ve anefa izay hatao e osa mba paikady sy fihetsika ara-politika hoenti-mampitonitony ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena fotsiny? Raha tarafina amin’izay 3 taona l izay, sarotra ny hahita fahagagana amin’ity Fitondrana ity. Miharihary ny tsy fahaiza-mitantana, ny tsy fahazakana firenena, ny fahefana tsy marin-toerana hatrany am-piandohana noho ny fifidianana tsy azo antoka,… Fitoniana an-tery na “stabilité forcée” no misy eto, fa raha ny zava-misy ara-toekarena, sosialy,… efa ela no nisy fipoahana saingy efa nahazo lesona tamin’ny 2009 ny vahoaka, ka toa hararaotina amin’ny fahanginany. Mahay maka fahefana ny Mpitondra ankehitriny, fa tsy mahay mitondra firenena. Leo korontana ny olona, saingy efa tonga saina tamin’ny fitaka sy lainga, ary ny fampanantenana poakaty, ka miandry fifidianana hamadihana pejy!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap