airtel

Edito

04-juin-2021

Edito

Mbola lavitra ny tolona

Sample post image

Nandray ny toerany sahady iny ny tale hisahana ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika vaovao.

04-juin-2021

 

 Maro ny adihevitra manoloana izany toy ny hoe lany olomanga ve ny mpiaradia amin’ny fitondram-panjakana no olona nalaza ho nafana fo tamin’ny fanohanana ny mpifanandrina politika taminy no nomena andraikitra mankadiry toy izany? Etsy andaniny koa anefa dia misy ireo mihevitra fa karazana fanehoan’ny fitondram-panjakana io fa misokatra amin’ny lafin-kery rehetra na firehana misy ato amin’ny firenena ny fitondrana mijoro ankehitriny. Ny hoavy angamba no hamaritra izay fa raha ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao aloha no hitarafana azy dia tsy moramora no miandry ity andriambavilanitra ity. Lefilefy aloha iny ny resaka sata mifehy ny mpanohitra saingy azo inoana anefa fa tsy maintsy hiverina an-databatra tsy ho ela indray izany mandra-pivoakan’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalampanorenena. Miteraka resabe sy fanahiana mafy ho an’ny olompirenena hatramin’izao ihany koa ity resaka fanomezana zom-pirenena ireo teratany vahiny ity. Nalaza tato ho ato ny resaka ady tany izay nifanandrify indrindra amin’io resaka io satria dia saika teratany vahiny, toy ireo faritan’ny maro amin’ny hoe “karana” hatrany no saika manana izany ady izany amin’ireo teratany Malagasy. Ny tontolon’ny serasera eo anivon’ny fitondrana iray manontolo mihitsy sy ny endrika tsy fahaiza-mitantana naterak’izany, izay niseho teny an-kianja vao tsy ela izay ny savorovoro naterany teny amin’ny fiarahamonina. Izany rehetra izany izao izany no isan’ny latasy miandry ny olom-boatendry malaza vaovao ny fitondrana fanazavana mikasika azy. Mety tsy ho voatery ho ireo ihany koa na ireo fotsiny ihany fa ny fipetraky ny politikam-pitantanan’izao fitondrana izao manontolo, izay mbola tsy hita manangasanga hatramin’izao hoe mby aiza marina nefa efa misasaka ny taom-piasana. Mbola manampy koa ny sosialim-bahoaka miha trotraka, ny toekarena miha mitsotsorika, izay sady mila vahan’izao fitondrana izao haingana no ilana serasera matotra mba hialana tanteraka amin’ny tsy fahatomombanana rehetra. Mbola lavitra ny tolona na ho an’ny vahoaka io, fa indrindra, ho an’ny mpitondra.

 J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap