airtel

Edito

07-juil-2021

Edito

Mbola poakaty

Sample post image

Tsy hita intsony izy ity. 2 taona sy tapany mahery saingy mbola tsy hita veroka foana ny tena fizotran’ilay praogramam-panjakana nampanantenaina fa hanavotra an’I Madagasikara anaty fotoana fohy.

07-juil-2021

 Namerina nanontany indray tato ho ato ireo mpisehatra politika hoe aiza ihany? Inona marina ny tena politikam-panjakana hamahana ny olana rehetra eto amin’ity firenena ity? Hita ho saika mbola poakaty avokoa hatreto ny votoatin’izany rehetra izany. Efa azo lazaina hoe kely sisa dia 100% ny ekipan’ny fitondrana mandrafitra ireo rafi-pitantanana rehetra misy na eny anivon’ny rafitra mpanao lalana io na eny amin’ny mpanatanteraka saingy tsy hita ihany izay fivoarana nentiny tamin’ny fari-piainan-dRamalagasy fa vao mainka aza fihemorana manara-penitra no niseho, raha ny filaharana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no jerena. Hita ho manangasanga sy efa voizina any indray ankehitriny ny atao hoe governemanta politika. Mety noho ny fahitana fa lesoka goavana ve ny nametrahana ilay antsoina hoe governemanta tekinika feno “cerveau” avy any an-dafy no antony? Mety ho governemantan’ny fisokafana koa ve? Fanontaniana mipetraka ho an’ny mpanara-baovao izany fa mety ho ahiahy mipetraka kosa ho an’ireo mpanaradia ny andaniny sy ny ankilany. Tsy ny fahitana marimaritra iraisana rahateo no ratsy, hampihavana ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka aza satry, saingy sao sanatria ho politika avo lenta tsy ahitam-bokany afa-tsy fampandehanan-draharaha iandrasana ny 2023 fotsiny kosa anefa? Sanatria ve hiverina hiaina tetezamita vaovao fa mody repoblika indray ary vao mainka hiha mafy ny fifanilihana andraikitra avy eo hoe tsy ny ekipan’ny fitondrana io fa ny an’ny mpanohitra? Na inona fomba fijery aloha dia heverina mitombona hatramin’ny 2009 ka hatramin’izao ho an’ity fitondrana ity sy izay rehetra efa nampiakariny teo ny filana fianarana demokrasia sy diplomasia ary politika ankapobeny hitantanana ny firenena mihitsy. Na tamin’ny tetezamitany farany teo aza angamba tsy mbola nisy kere ahiana na efa lazain’ny mpanao politika sasany ho efa mielim-patrana manerana ny nosy izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap