airtel

Edito

27-févr-2024

Edito

Mbola seza aloha izao no mahaseriny !

Sample post image

Tsy maniry ratsy ho an’ny Firenena, fa maneno sahona ny zava-drehetra

27-févr-2024

amin’ny ankampobeny. Tena efa tsy takona hafenina fa efa iainana sy miantraika amin’ny fiainana andavanandro ny ngidin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana. Zary mbola fanesoana antsika aloha hatreto ny teny atao filamatra hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso » satria tsy mifanaraka amin’izany ny toetra amam-pihetsika ary ny fomba entin’ny mpitondra mitantana ny firenena. Mena ny ankamaroan’ny tondro : toekarena, harin-karena isam-batan’olona, fanjarian-tsakafo, ady amin’ny kolikoly, fotodrafitrasa toy ny làlana,… Adala sy mpanohitra ve ny avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mamoaka ireo tondro sy tarehimarika maneho fa mihemotra sy mila manova fomba fiasa i Madagasikara ? Mba azon’ny mpitondra an-tsaina ve misy faritra tafakatra hatrany amin’ny 2000Ar ny kapoakan’ny vary noho ny tsy fanamboaran-dalàna, tsy firindrana na tsy fisian’ny politikam-pamokarana, tsy fahaizana mijery ny tena laharam-pahamehana,… Nisy ny fampanantenana zavatra maro ao anatin’ny 100 andro izay efa akaiky ny fisasahany, saingy indrisy fa miha mitolefika hatrany ny fiainam-bahoaka. Ny kajy politika hahazoana seza maro aloha izao no toa masaka an-doha fa izay famahana olana tena mbola lavitry ny kitay aloha ny afo. Tena efa hampidirina lasitra iray ve ny Malagasy ka heverina hatrany fa tambazana koveta na fanomezana tsy mahavita taona dia milamina indray ny 5 taona manaraka ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap
13-mai-2024

Tanàna misy antsika izy, nolokoina menamena. Tanàna menamena izy, feno trano mangamanga.»,

Card image cap