airtel

Edito

27-déc-2021

Edito

Mbola taonan’ny balarora hatrany…

Sample post image

Arahabaina aloha ny rehetra afaka niatrika ny fetin’ny krismasy fahaterahan’ny mpamonjy. Samy nanamarika izany tamin’izay heveriny fa mety sy tratry ny heriny avy na eo aza ny zava-misy iainan’ny firenena.

27-déc-2021

 Irariana mba hitondra fanambinana sy fahasoavana ho an’ny isam-batan’olona izany. Andro sisa isaina, dia hivalona ny taona 2021. Fotoana hitsakotsakoana ity taona ity izao, hanaovana tombana sy hamariparitana sahady ny taona ho avy. Irariana ihany koa mba ho amin-kafaliana sy fahasoavana no hamaranan’ny isam-batan’olona ity taona ity sy hitsenana ny taona vaovao. Izany rehetra izany eo ihany, fa tsy afa-misaraka amin’ny fanaovana tombana sy raharaham-pirenena. Raha hiverenana ny kabarin’ingahy Filoha tany amin’ny fiandohan’ny taona, dia nambara fa ho taonan’ny fandrosoan’I Madagasikara, ho taonan’ny vokatra,… ity taona ity. Toy ny kabary politika mahazatra azy, izay talentany tanteraka dia niraradraraka ny fampanatenana sy ny velirano samihafa, saingy asa hoe: mba firy tamin’ireny no tanteraka? Ny zavatra maro nolazaina tamin’ny taon-dasa na talohan’izay aza aloha dia betsaka no tsy tanteraka. Ny coronavirus hatrany ve no atao ala olana? Nolazaina tamin’ity taona ity fa noho ny coronavirus, hono, no tsy nahatanteraka ny tetikasa fananganana ozinina mpamokatra angovo “ethanol”, kanefa ny fe-potoana nomena hahavitany aza ny martsa-desambra 2019! Dia ny tena no menatra, hoy ilay fomba fiteny. Tany amin’ny taona 2020 no efa nilazana fa hitsanganan’ny orinasa Gascar, hanaovana ny flyover na tetezana mitsingevana,… kinanjo dila ihany ity ny taona. Tamin’ity taona ity moa dia ny janoary no nilazana fa hampahafantarana ny drafitra PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) saingy ho dila ihany koa ity ny taona, saingy “bye bye volamena” tahaka ny raharaha volamena 73,5kg ireny. Azo hitsarana ny mpitondra ny tsy fitazonana ny teniny. Sarotra ny mbola hanantenana fahagagana amin’izao efa karazan’ny fidirana amin’ny taom-pifidianana izao. Ny fampanantenana hirarakopana ary mety ho avo 100 heny amin’ny teo aloha satria mafy izany hitazona fahefana izany, saingy tsirairay no afaka mandinika sy mitsara ny vokatra hatramin’izay. Raha izay lainga sy balaroran’ny mpitondra ankehitriny, dia efa tsy sobika intsony no alaina fa kamio angamba, ka asa mbola ho resy lahatra ihany ve ny ambanilanitra. Izay handainga sy hampanantena poak’aty izany efa tsy misy tahotra sy henatra intsony, ary ity no Fanjakana tsy manana etika indrindra hatramin’izay, saingy ny vokatra nentiny tamin’ny fiainam-bahoaka amin’izay jerena fa tsy halaman’ny vavany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap