airtel

Edito

04-juil-2022

Edito

Mbola tsangan’olona

Sample post image

Tontosa iny ny fankalazana ny 20 taona nijoroan’ny antoko politika Tiako I Madagasikara, izay naorin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana.

04-juil-2022

Sary isan’ny nanaitra ireo mpanara-baovao indrindra moa ny fifandraisan-tanan’ity farany sy ny filohan’ny antenimieran-doholona teo aloha sady mpitarika ny antoko politika Hery vaovao ho an’ny Madagasikara ankehitriny eto an-tanindrazana, Rivo Rakotovao. Niraradraraka ny fiarahabana isan-karazany. Nandeha koa ny tombana sy vinavina samihafa. Hamondrona hery ve ireo? isan’ny fanontaniana nipetraka izany. Etsy an-kilany dia mandeha koa ny fanehoan-kevitra milaza fa na hivondrona daholo aza ny mpanohitra ankehitriny tsy haharesy ny filoham-perinasa, Andry Rajoelina, mihitsy. Efa tokony ho amin’izany sahady ve no resaka amin’izao fotoana mbola hilentehan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy anaty lavaky ny fahantrana mangitsokitsoka izao? Misy ilana an’izay maharesy na resy amin’ny fifidianana ve raha sanatria ka vao mainka ho mafy lavitra noho ny iainana ankehitriny ny fangirifirian’ny vahoaka eto amin’ity nosy ity? Mbola tsy niova fa dia mbola mirona hatrany any amin’ny fivoizana tsangan’olona aloha izany hatreto ny mba hany fari-pahatakarana politikan’ireo olompirenena mikasa hanefa ny adidiny amin’ny alalan’ny latsabato amin’ny fifidianana hoavy eto amin’ny firenena rehefa jerena ankapobeny. Sarotra ny hino fa mba ho vinam-piarahamonin’ilay kandida amin’izay no ho antony handatsahany vato ho an’iny kandida iny. Porofo mitohoka amin’ny tenda rahateo fa mbola izay tsangan’olona izay hatrany no jeren-dRamalagasy, indrindra ary mampalahelo, ireo mpitarika politika rehefa hametraka olom-boafidy hitantana ity firenena ity ny naha tafapetraka izao fitondrana izao amin’ny toerana ankehitriny satria dia mazava ny fanontaniana fototra. Aiza ary izao ny fijerena mialoha ny fanatanterahana ilay praograman’ny filoham-pirenena ankehitriny nirentirenty be nantsoina hoe IEM ? Aiza ilay famatsiam-bola nolazaina fa ny fahazoana toerana fotsiny no andrasana dia lasa izao? Firy isan-jaton’ireo nifidy ny filoha ankehitriny sy nampandany azy no mahafantatra tsara izany IEM? Santionany amin’ny fanontaniana mipetraka sy tsy mbola mety voavaly hatramin’izao izany ka dia voizo hatrany ny tsangan’olona raha mbola te handentika firenena kokoa!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap