Raikitra ny fanagiazan’ny mpitantana vaovao ny tsenan’ny oranioma niarahan’ity firenena ity tamin’ny firenena tantanan’i Emmanuel Macron, raha ny vaovao voizin’ny frantsay moa izany ankoatran’ny hoe manameloka ilay fanonganam-panjakana ny filohan’i Lafrantsa ary mitaky ny hampodiana ny olom-pireneny sy ny hamotsorana ny filoham-pirenena nigeranina naongana. Eo koa ny fametrahan’ny fampahalalam-baovao frantsay ny fanontaniana hoe tokony hiala any amin’iny tany hain’i Saely na “Désert du Sahel” izay iadiany amin’ny mpampihorohoro ao Afrika iny ve ny tafika frantsay izay an’arivony any an-toerana? Tena mpampihorohoro tokoa ve ny amin’iny toerana iny sa harena an-kibon’ny tany hafa mahaliana an’i “renimalala” na koa hoe efa tombontsoa gohany? Maninona no avy hatrany dia nanome toky ny hanampy ny namany afrikanina hitsipaka ny frantsay ary ireo firenena afrikanina hafa toa an’i Mali sy Burkina faso ary Alzeria fa tsy hoe hanampy an’i Lafrantsa hiady amin’izay lazainy fa mpampihorohoro? Heverina fa na ireo melohin’i Lafrantsa ankehitriny ho manongam-panjakana ireo aza dia manaiky fa ratsy ny fanonganam-panjakana sy rehefa mety ho fampiasana herisetra fa iza kosa anefa no sahy handa fa mbola ratsy lavitra noho izany ny fanandevozana na “colonisation” amin’ny endriny vaovao mbola miharihary fa tohizan’ny frantsay aty amin’ny firenena afrikanina mbola hita ho manaiky azy toa an’i Madagasikara? Tsy azo sorohana mialoha ve ny herisetra toy ireny ao anatin’izao akatoky ny fiafaran’ny fotoam-piasan’ny fitondrana ankehitriny izao? Miampy foana ny lesona nanomboka tamin’ny taona 1972 mandrak’ankehitriny. Tena tsy tokony hifanatona sy hifampiresaka intsony tokoa ve fa avy dia hiroso amin’izay fifidianana efa miharihary fa anatina ahiahy sy tsy fifampitokisana lalina izao? Tena tokony ho avelavela fotsiny amin’izao tokoa ve ity resaka zom-pirenen’ny lazaina fa mpanjanaka antsika fahiny nangatahan’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny vao tsy ela ity?
J. Mirija
Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,
fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!