airtel

Edito

16-févr-2022

Edito

Miandry fahasahiana

Sample post image

Tsy misy adihevitra fa dia samy miandry fahasahiana avy amin’ny filoham-pirenena Malagasy aorian’ny diany avy any Eoropa izany amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ny mpanara-baovao.

16-févr-2022

 Ny resaka hoe fihaonana an-tampony sy ny hoe inona no andrasana amin’izany avy amin’ny filoham-pirenena sy ireo delegasionina nentiny any indray aza no toa zary tsy dia tena nahasarika ny saina loatra satria dia efa maro ihany izay fihaonana iraisam-pirenena tsy mbola nahitam-bokany tena nivaingana tato anatin’ity fitondrana ity izay. Na niteny aza ny mpandinika fifandraisana iraisam-pirenena hoe mila miady mafy ireo delegasionina satria io fotoana io koa no mety azo hararaotina handresen-dahatra ireo mpiara-miombon’antoka goavana na firenen-dehibe hamatsy vola ny IEM, izay tetikasa nampanantenain’ny filoham-pirenena tamin’ny fampielezan-keviny fa ho tanterahany ao anatin’izao 5 taona hitondrany izao, dia toa sarotra ny haminavina hoe iza amin’ireo solontena malagasy lasa any no hahavita izany fandresen-dahatra izany? Saingy ity resaka fomba fiasan’ireo governemanta izay mampitaraina ny havia sy havanana ary ny ankamaroan’ny olompirenena ity kosa dia tena heverina fa sambany mba hampifantoka, fara faha keliny 80% amin’ny filoham-pireneny hoe hanao ahoana ny fahasahiany amin’ity indray mitoraka ity. Nisy minisitra isan’ny voalaza ho nanao fihetsika mamoha henatra no sady manana vady mihevitra azy ho tsy maty manota eto amin’ny firenena mbola tafajanona ao. Misy minisitra na ny anarany aza tsy fantatry ny ankamaroan’ny mpanao gazety akory. Misy minisitra mety tsy mahafehy ny sehatra nametrahana azy ihany koa, raha izay no azo ilazana azy. Vao omaly ny omaly aza no naneho hevitra ny avy amin’ny hery havia sy havanana hoe maninona moa raha ravana manontolo mihitsy? Heverina fa tsy tongatonga ho azy avokoa izany fanehoan-kevitra rehetra izany fa dia manana 3 andro fara faha keliny hisaintsainana izany rehetra izany aloha izany ny filoham-pirenena ka dia samy miandry ny fahasahiany manapa-kevitra ny rehetra. Miandry fahasahiana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap