airtel

Edito

28-nov-2022

Edito

Miandry famindra vao

Sample post image

Anaty fiarahamonina malagasy dia misy ny atao hoe henamaso. Na anatina tokantrano honenana olombelona mifankazatra isan’andro eo aza dia mitranga izany rehefa sendra heno fa hisy vahiny hamangy na hitsidika ny

28-nov-2022

toeram-ponenan’ny tena sy ny ankohonan-kely iny. Seriseriny daholo eo, mety hikoropaka mihitsy aza ny iray trano. Eo vao mandamina ny mikorontana rehetra na manamboatra izay hita ho mbola tsy tomombana. Miezaka manadio izay hita ho mbola tokony ho diovina ihany koa. Tonga avy eo ny vahiny dia tokantrano milamina, tsy misy disadisa no haseho azy. Raha misy fifandirana nandalo na olana nitranga dia ampirimina vetivety aloha mandra-paha lasa izay vahiny izay. Ny firenena anefa tsy tokantrano na dia azo hoharina amin’izay tokantrano izay ihany aza indraindray. Hita tamin’ireny tranga namarana ny herinandro ireny fa tena manara-maso ny zava-misy ireo vahiny miara-miasa na koa miara-miombon’antoka eto amin’ity firenena ity. Mbola hita ho mangeja hatramin’izao mihitsy aza ny mpanjanaka fahiny sy ireo mpanjanaka amin’ny endriny vaovao. Iny moa mbola ady mafy ho an’ny mpiray tanindrazana ary mety ho onjohonjony samirery raha sanatria mbola mitohy hatrany ny hakanosan’ny mpitondra manoloana ireo tsindry samihafa apetraky ny vahiny izay. Milefitra amin’ny vahiny aloha isika hatreto, ohatra, amin’ny resaka nosy manodidina. Toy izany koa eo amin’ny resaka angovo, ny harena an-kibon’ny tany, ny harem-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy sy ny maro samihafa tsy voatanisa. Andaniny iny fa etsy ankilany dia raha hita ho nitrifana mihitsy teo aloha teo ny fitondrana mijoro tamin’ny fanenjehana ireo sahy mitsikera sy mamoaka ireo heverina ho tsy mety ataony rehetra ary tsy nisalasala nanagadra izany tsy mitovy hevitra rehetra izany, dia iny niaraha-nahita iny kosa ny fileferana nanoloana ireo mpanara-maso iraisampirenena ny kolikoly avo lenta misy eto. Hita ho toy ny nanova famindra mihitsy aza satria dia nanaitra ny maro ny fisiana fitsarana mpampaneno lakolosy malaza miisa 2 anio raha toa ka efa ho 2 volana teo izao no nikasana hampanginana ny raharaha. Andrasana moa izay ho tohin’izany rehetra izany fa dia miandry famindra vao tokoa aloha ny mpanara-baovao. Kajy hitsinjovana ny 2023 ihany ve anefa sa tena famindra hitsinjo fampandrosoam-pirenena?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap