mijoro ankehitriny izao, dia miandry fifampidinihana isika io! Inona tokoa no nirahirain’ireo mpitolona sy tanora teny an-kianja nanomboka 25 septambra 2025 raha tsy ny hoe mila fanovàna, mila fanovàna ifotony, fanovàn-drafitra sy izay miara-dalana amin’izany rehetra? Tsy misy azo ovaina manta be fotsiny nefa eo raha tiana ny tsy hiverenan’ny romoromo toy ny hatramin’izay intsony. Heverina fa mila fifampidinihana tena matotra amin’izay fa tsy toy ny tamin’ireo efa vita nanomboka tamin’ny 1972 intsony ity manaraka ity. Fifampidinihana tena andraisan’ny rehetra anjara, tena ahitàna ny solontenan’ny rehetra. Raharaha azo ambara ho sarotra dia sarotra izy ity, araka izany, manoloana ny toetsaintsika malagasy hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Tsy misy tsy nahita sy niara-niaina ny rafitra nanabevoho ny kolikoly teto amin’ity firenena ity an-taonany maro na efa eo aza ireo sampana samihafa miady amin’izany fahalovana izany eto amin’ny firenena. Eo ny Bianco, ny SAMIFIN, ny ARAI, ny PAC sy ny hafa maro mety tsy voatanisa. Mahagaga nefa fa dia mbola voamarin’ireo sampana mpanao fanadihadiana samihafa anaty sy iraisampirenena hatrany ny hoe nirongatra teto an-taonany maro izany kolikoly izany. Nirongatra ny tsy fandriampahalemana. Tsy mety tafarina hatramin’izao ny toekarem-pirenena. Tsy voakarakara mihitsy ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana. mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasa-manilan’ny mponina ary vao mainka niampy aza izany, raha ny tarehimariky ny banky iraisampirenena farany. Izany rehetra izany no isan’ireo neverina, araka izany, fa tokony nanomboka nitadiavana vahaolana hatramin’izay nanombohan’izao fitondràna antsointsika hoe fanavaozana izao. Izany rehetra no heverina fa miandry fifampidinihana maika dia maika mba tsy hahatara loatra ny fanarenana ny firenena!
J. Mirija