airtel

Edito

03-févr-2022

Edito

Miandry izay midona sisa

Sample post image

Satry hitantara zava-mahafinaritra isan’andro eto amin’ity firenena ity, hoy ny namana mpamakafaka iray izay omaly, saingy indrisy fa ifonana amin’ireo mpanara-baovao fa tena mbola tsy izay aloha hatreto no mibahana eto amin’ny firenena.

03-févr-2022

 Rehefa tsy krizy ara-pahasalamana dia fahatapahan-jiro sy rano na kere na vidim-piainana midangana sy tsy fandriampahalemana. Tonga indray izao farany teo ny rivodoza izay nitondra tondra-drano tamina faritra maro. Mety mba mampisento tokana ihany aloha angamba ary azo lazaina hoe somary andeha atao hoe nahafaly ihany ny naheno nanomboka ny 1 febroary teo fa nifarana, hono, ny delestazy. Hatramin’ny omaly anefa dia ireny niaraha-naheno ireny indray fa mbola nahazo hery tany an-dranomasina tany ilay rivodoza vaovao ary mety handravarava raha sanatria ka ho tafakatra eto amin’ny tanetin’ity Madagasikara ity. Azo isaorana ihany angamba ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izay nandray fepetra tsy hampianatra ireo mpianatra manomboka rahampitso zoma saingy rehefa mijery ilay zava-misy rehetra voatanisa teo dia mety azo ekena ihany hoe olana efa nisy tao anatin’ny 60 taona mahery izany rehetra izany fa ny loza anefa dia raha nampanantena ny hamaha izany izao fitondrana mijoro izao dia io iarahantsika mahita io fa vao maika miha mafy ireo olana. Ho firenena mpanondrana vary angamba, raha tsy diso isika, no nampanantenaina tao anatin’ny propagandin’izao fitondrana izao fa tsy hoe firenena hanafatra vary matetika toy izao hoe 20 sambo izao. Hampindram-bola an’I Kaomoro fa tsy hoe hiandry fanampiana lava amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Fehiny angamba dia ny hoe satria avy miala loza dia hidiran-doza, avy manafaka traboina dia mety hampitombo isana traboina hatrany ity firenena ity dia tsikaritra ho samy miandry izay midona sisa no hany anton-draharahantsika mianakavy eto amin’ity firenena ity. Ny tena mampalahelo sy mahakivy ny mpanara-baovao ao anatin’ilay izy aza dia hita ho tafiditra ao anatin’izany koa ireo mpitondra. Ny volamena niondrana an-tsokosoko firifiry tsy mbola hita mazava ny tokontanim-panadihadiany. Ny raharaha andramena tamin’ny fotoan’androny koa isan’izany. Ny resaka tsenam-barom-panjakana sy ny maro hafa ao anatiny. Tsy hita izay politika mazava hitadiavana vahaolana maharitra na dia ny mikasika ny iray amin’ireo olana goavana voatanisa rehetra hatrany aloha ireo aza fa dia tena hoe izay izany izao no zava-misy. Miandry izay midona sisa ankoatry ny hoe manomana ny 2023.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap