airtel

Edito

16-mars-2023

Edito

Miandry sarahana

Sample post image

Raha ny tsy fahombiazan’ny mpitondra sy fitotonganan’ny firenena, ny fahatram-bahoaka mihalalina, ny fihemorana ara-toekarena,… izay tsy ahitan’ny mpitantana vahaolana,

16-mars-2023

dia efa naman’ny miandry sarahana ny fitondrana ankehitriny. Efa tena tsy manam-bahaolana sy miraviravy tànana, miezaka manodina saim-bahoaka amin’ny serasera sy hetsika tsy dia manao ahoana sisa. Taiza hatramin’ny naha tany ny tany ny hoe : handeha hizara hani-masaka dia mandeha fiaramanidina sy ny angidimby ? Eny tena efa lasa manao ny tsy fanao ara-bakiteny, mba hitazotazona ny ain’ilay fitondrana toa efa mihamalemy ihany koa. Hena-maso sy hanekena ny tsy fahombiazana sy mampitapikitra eo fa raha ny tsy fahombiazana dia ny ao anatiny aza efa vaky vava fa tsy izao no nifanarahana, betsaka no efa miala ao anaty sambo,… Na ny vahoaka ihany koa aza efa tena miandry sarahana hoe : rahoviana no afaka amin’ity fitondrana tsy mahomby ity mba ahafahana miaina kely. Tsy hisy fahagagana antenaina firy intsony, fa raha nisy ny azo natao tsy hisy mpitondra handeha hanala baraka tena izany. Efa tena io no fara-fahaizany, efa mihodinkodina fotsiny eo sisa, ary taratr’izany io resaka fametrahana olana hiara-hiasa io, izay ny tonta no havadibadika. Tsy resy lahatra sy tsy andeha handoto tena ao anatin’ny fitondrana ankehitriny ny manam-pahaizana satria ny ao aza toa mivoaka. Tsy hoe : tsy fitiavana ny tanindrazana, fa mety miandry fotoana. Marina fa mety tsy hahavita fahagagana izay mety ho avy manaraka eo, saingy tsy midika fa mila miafy amin’io, ka hoentina amin’ilay hira hoe: “io aloha no misy”. Tsy mahomby intsony ny filazana hoe: mila tohizana ny asa fampandrosoana efa natomboka. Fa iza no niteny hoe: ataontsika ao anatin’ny 5 taona ny tsy vitan’ny mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona? Moa tsy ny fahantrana sy ny fahapotehana rehetra tsy hita tao anatin’ny 60 taona no niseho tato anatin’ny 5 taona? Mba efa leo sy miandry sarahana ihany koa ny olona, saingy sarotra amin’ny mpitondra nahazo seza eto amintsika moa ny hiaiky sy hanaiky fa tsy mahomby sy lasa olan’ny firenena izy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap