airtel

Edito

19-avril-2024

Miandry vokatra mampandroso!

Madagasikara tsy maintsy mandroso moa no tarigetra napetrak’ity

Sample post image

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

19-avril-2024

Tetikasa tena tsara dia tsara izany raha tanteraka tokoa ary dia miandry vokatra mampandroso tokoa moa izany amin’izao fotoana izao ny malagasy rehetra! Hatreto dia mbola fihemorana aloha no hita eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny na eo amin’ny lafiny politika io na sosialy na toekarena na fanatanjahantena. Ny sehatra rehetra misy eto amin’ny firenena! Io izao eto an-drenivohitra dia miitatra hatrany ny fokontany mikorontana satria leo ity tsy fisian-drano maha voretra vahoaka tsy fidiny ity. Nitroatra ihany koa ny farany omaly ny tany Amboditsiry tany. Ny resaka fahatapahan’ny herinaratra moa dia tsy maintsy hanandratana vavaka mafy mihitsy rehefa tonga ny maraina hoe enga anie mba tsy ho naninona tao na hankarary kibo, sanatria, ity abobo na «yaourt» notahiriziko tao anaty vata fampangatsiahana alina ity. Ho an’ireo izay mbola manana vata fampangatsiahana moa izany satria efa tsy fantatra intsony hoe tamin’ny firy ka hatramin’ny firy no tapaka ny herinaratra alina. Heverina fa an-kavitsiana amin’ireo malagasy no mbola manana izany vata fampangatsiahana izany amin’izao fotoana izao ary misy amin’ireo mba nanana volana vitsy lasa koa aza efa betsaka no mitaraina fa simba izany fotoana mba mety tsy ho filàny ao an-tokantrano fotsiny izany fa mety hanatontosany fanampim-pivelomana koa. Nireharehana tao Toamasina moa omaly iny fa dia hiainga, hono, izany ilay tetikasa antsoina hoe 50MW. Na efa 5 taona niandrasana vahaolana maharitra mikasika ity resaka angovo ity aza izany dia mbola asaina maharitra sy miandry izany hatrany. Iankinana sehatra be dia be nefa io satria dia iaraha-mahita koa io ny firongatry ny tsy fandriampahalemana satria maizina ny tanàna. Fihariana maro no potika. Tsy mitsaha-miaka-bidy ny filàna rehetra misy. Fihemorana hatreto no hita saingy voatery miandry vokatra mampandroso! Ho tonga anie ny fahafahana!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap