amin’izao fotoana izao! Heverina tokoa fa isan’ny mariky ny fitiavan-tanindrazana goavana ny fitadiavana vahaolana ialàna amin’izany antsoina hoe fanjanahana na fanandevozan-tany amin’ny endriny vaovao izany. Fehezantenin’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny izay nampihetsi-po sy nisintona fanantenana tamina olompirenena maro ny hoe «Raha tsy azontsika izao ireo nosy malagasy ireo dia ho azontsika intsony!». Teny amin’ny CCI Ivato iny ny taona 2018. Matetika maneho fihetsika, izay heverin’ireo mpamakafaka iraisampirenena ho manelingelina ny sehatra iraisampirenena koa ity filoha malagasy ity, indrindra, manelingelina ny firenena frantsay. Io izany izao fa nantsoina hiara-hiasa hamaha ny olan’ny JIRAMA ny israelianina. Naseho koa ny sary fa ny firenena malagasy dia tena akaiky amin’ny firenena rosianina. Izany hoe raha fehezina dia miezaka mampiseho sary faran’izay miharihary indrindra izao fitondràna izao fa efa kely sisa dia tsy ho tongasoa eto intsony ny tandrefana, raha ny fihetsiny hatreto aloha. Mbola tsy voaresaka koa aza ny fifandraisantsika amin’ireo firenena arabo. Ny fanontaniana goavana mipetraka izany amin’izao fotoana izao dia ny hoe efa hananantsika ve nefa ny vovokaina ialàna amin’ireny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka mahazatra ireny? Tena ho ailika be fahatany na araka ilay filàzan’ny tanora hoe «zebra» be fotsiny izao ve izy ireo? Io izao voalaza omaly fa efa nisy notapahan-drizareo amerikanina sahady taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena amerikanina vaovao fahefana. Tsy miafina ihany koa etsy ankilan’izay ny olana ara-bolan’ny fanjakàna malagasy amin’izao fotoana izao ary na ny tao anatin’ilay rafitra teo aloha aza moa efa niantso ireo nandimby azy mihitsy mba hifehy kibo. Ny amisavisana ny ratsy moa nefa, hono, no hihavian’ny soa ka dia ho hita eo tokoa!
J. Mirija
hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay inoana sy harahina ankehitriny.