Enga anie mba tsy ho fanina! Efa hita izao fa tsy lojika politika amin’ny firenena mitonona ho repoblikanina, araka ireo efa fanazavana maro nataona mpanao politika sy mpandinika, ilay tsy fisiana governemanta feno aorian’ny 72 ora naha voatendry ny praiminisitra. Tsy zava-baovao loatra ihany koa ary samy niara-naheno izany ny mpanara-baovao, ny voambara tamin’ilay hoe praograma ankampoben’ny fanjakana na PGE natolotry ny praiminisitra teny anivon’ny antenimiera. Maika tampoka indray, hono, ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny malagasy! 6 taona aty aorian’ny nitabatabana herivelona maro izany hahamehana izany ve izany ilay fitondram-panjakana vao tonga saina hoe izany tokoa no maika izao, mba tsy hilazana hoe 16 taona? Tao anatin’izay 5 taona vita tanatin’ny fotoam-piasana voalohany izay aza moa, nifandimby teo daholo ny minisitra maro, ny sasany nolazaina fa atidoha na hoe «cerveau», ny sasany hoe olon’ny asa na koa hoe heverina ho haingam-pandeha tahaka ilay filoham-pirenena, izay hita fa haingam-pandeha tokoa aloha farany teo raha hitety an’i Afrika, kanefa dia izao hatreto no vokany. Gidany amin’ny resaka fandrosoana sy fampandrosoana maneran-tany aloha ilay firenena raha ny tarehimarika iraisampirenena no jerena. Mainka moa izany amin’izao mbola tsy misy tokontaniny izao akory hoe iza avy marina no hampanatontosana ilay PGE, dia hisy azo antenaina hiova tokoa ve?
J. Mirija
fa tia an’ity Madagasikara ity tokoa ny mpitondra, nilazana fa vina sy hevitra, nanehoana fa hitondra
hoy ny hiran-drizalahy mpanakanto izay. Inona tokoa moa no hihazakazahan’ny mpanararaotra fihenam-bidy,