airtel

Edito

13-sept-2022

Edito

Mifampihaino aza tsy vita

Sample post image

Asa na hanao ahoana aloha ny amin'ny volana ambony sy manaraka rehetra fa dia ny mifampihaino aza tsy vita aloha izany hatramin'izao ho an'ny mpitondra sy ny ivelan'ny fitondrana rehetra.

13-sept-2022

Sesilany ny fitakiana fikaonandoham-pirenena satria tena miha maro ireo sorena amin'ny tsy fandriampahalemana, delestazy, vidim-piainana midangana, tsy fahafaha-mampiana-janaka intsony sy ny lafiny mahaolona miha tsy tomombana isan'andro. Tsy miova ny fomba fanao politikan'ny fitondrana mijoro fa toa toy ny tamin'ny tetezamita notarihiny farany teo ihany! Natsangana ny hopitaly manara-penitra fa andaingo ireo mpitsabo handray tsy salama tao sy ny fitaovana niasa tao. Nisy sasany aza moa nirodana am-pitoerana teo ny rafitra efa nitsangana. Natao koa ny toeram-pilanonana nidadasika saingy savolaina ny artista nameno azy. Faly ery ankehitriny ny fitondrana mitanisa. EPP, CEG, Lisea, Oniversite "manara-penitra atsy sy aroa. Hianaran'ireo mpianatra manana ray aman-dreny miha tsy mahazaka ny sarany miakatra isan-taona ve? Hampianaran'ireo mpampianatra miha mikarama varimasaka mitombo no sady tsy mahazo hatrany ilay karama efa kely ara-potoana ve? Mifampihaino tokoa aza moa tsy vita tao anatin'izay 13 taona izay ka maika moa fa ny hanakatra izany rehetra izany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap