airtel

Edito

13-juil-2023

Edito

Miha lalina hatrany ny hantsana

Sample post image

Miharihary hatrany aloha izany eto ny elanelana eo amin’ny vahoaka tsy mandady harona sy ny mpitondra. Mihalalina hantsana manasaraka ny mahantra sy ny mpanana.

13-juil-2023

Toa efa foana ny sokajin’olona manana fari-piainana antonony na « classe moyenne », fa nijotso any amin’ny mahantra fadiranovana ny ankamaroan’ny olona. Tsy finiavana hanao lasa masaka sy hanitatra, fa tena hita miharihary amin’ny fiainana andavanandro io, ary porofo mivaingana ny antontan’isa sy tondro samihafa navoakan’ny sehatra iraisam-pirenena izay sokajiana ho matihanina. Nahatratra 7% ohatra ny fiakaran’ny tahan’ny olona mahantra fadiranovana teo anelanelan’ny 2019-2022 satria 73,4% teo no nananika 81,1%, raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Ahiana ho tafakatra 90% mahery aza hatramin’ny faran’ity taona ity. Tena mampanongo tena ny nilazan’ny teknisian’io rafitra ara-bola maneran-tany io, fa afaka 75 taona isika vao hitovy amin’i Rwanda raha tsy miova amin’izao fomba fiasa sy fitantanana izao. Toa tsy mahataitra ny mpitondra ireny, fa ny ataony ihany no ataony, ny politika malotony tsy miova, ny tahan’ny kolikoly miakatra, ny laharam-pahamehana tsy mifanaraka amin’ny fiainam-bahoaka fa izay maharevorevo ny mpitondra,… Tena samy manana ny reviny sy ny manahirana azy, ary io vao mainka nohamafisina io indray ny elanelan’ny mahantra sy ny manan-karena, ny mpitondra sy ny vahoaka, ny mpanao politika sy ny valalabemandry,… Habaribary fa natao ho an’ny be vola ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana an’i Madagasikara, natao ho an’ny manan-katao ny politika raha raisina amin’io anto-bola 200 tapitrisa Ar vao afaka mirotsaka ho filoham-pirenena io. Marina fa tsy izao bodo sy adala rehetra izao no tokony hilatsaka hofidiana, saingy raha hatao revin’ny mpanam-bola fa tsy manam-panahy dia ho aiza ity firenena ity? Habaribary hatrany fa ny mpanam-bola no afaka handidy sy hanapaka ny ho avin’ny firenena sy hifehy ny harena eto ? Hisy firenena handroso ve raha olona tsy niainga sy tsy mahalala ny tena zava-misy iainan’ny Malagasy any anaty rafi-piarahamonina samihafa any no handidy sy hanapaka amin’ny ho aviny? Tena hadiana hihalalina hatrany hatrany ny hantsana manelanelana ka asa izay hiseho eto rehefa ny valalabemandry no hitroatra noho ny tsy rariny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

ho an’ny mpitondra ankehitriny ny manao amboletra mandrombaka sy

Card image cap
20-mai-2025

tsy fandriampahalemana,

Card image cap