airtel

Edito

24-nov-2021

Edito

Miha mafy ny feon-dakolosy

Sample post image

Mbola karakaina sy mitaraina ny tany. Tsy zarizary ny voly rehetra, indrindra, ny voly vary. Toy izany koa ny fiompiana. Hatreo fotsiny dia efa midika fa tsy milamina, fara-faha keliny, ny fiainan’ny 80%n’ny Malagasy,

24-nov-2021

 izay iaraha-mahalala fa tantsaha. Ny hoe miakatra hatrany ny vidina entana ilaina an-davan’andro moa io dia efa saika heno isan’andro saingy mampametra-panontaniana ny maro hoe inian’ny mpitondra tsy heno ve. Miha mafy ny feon-dakolosy mampitandrina na koa hoe manahy mihitsy fa mananontanona ny fipoahana sosialy. Toy izany koa ny hoe mitady hiverina indray ny olana fiatrika isaky ny fotoam-pifidianana efa nisy hatramin’ny taona 1991. Raha nisaina angamba ny antso natao ny amin’ny tokony hahaizan’ny mpitondra maka lesona amin’izay dia ity fitondrana ity no voateny matetika indrindra mikasika izany. Miseho ny endrika tsy fahaiza-mitantana rehetra, indrindra, ny lafiny toekarena. Ny harinkarena tato anatin’izao fitondrana izao irery no niiba ary tsy fitan’ny hoe latsaka 1 na 2 fa miiba 7 mahery be izao. 7,7%! Raha tsy maty tanteraka dia mamofona famindram-pahefana ho amina fitantanan’ny sehatra tsy miankina ireo orinasam-panjakana. Ny hany mety ho voafehy angamba sisa dia ny fampandaniana indray ny filoham-pirenena ankehitriny izay anton’ny fanahian’ireo herivelona politika maro amin’izao fotoana izao fa mampiverina ny tantara efa nisy izay niaraha-nahita fa namotika kokoa ny firenena indray. Ny antenimierandoholona, ny CENI, ny HCC, ny governora, eny, ny antenimieram-pirenena dia efa hita ho saika miloko volomboasary avokoa. Mampahatsiahy tantara efa nisy tokoa fa dia… asa aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap