airtel

Edito

06-janv-2023

Edito

Mihazakazaka, mihazakazaka!

Sample post image

Izay no azo ilazana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika ankehitriny. Vao manomboka ny taona dia efa fitokonana faobe no nisantaran-drizareo ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena azy.

06-janv-2023

Nampita hafatra milaza ny fahavononany hiala amin’ny toerany moa ny minisitra tomponandraikitra raha misy ilana izany. Ny fanontaniana miverina hatrany dia ny rehefa miala amin’ny toerany tokoa ve ny minisitra iray na tomponandraikitra iray dia mivaha daholo avy hatrany ny olana? Nahavaha ny delestazy ve izao ny tombana sy fanalana ary fanagadrana mihitsy ireo tale sy tomponandraikitra maromaro tao amin’ny JIRAMA farany teo? Hatramin’ny fiafaran’ny taona lasa iny no efa serasera nandeha ny hoe hisy ny fanovana governemanta ary dia mbola nezahan’ireo mbola mino izao fitondrana izao ihany koa ny hampanentoento izany kolontsaim-pamadibadihana ny tonta sy ny hita hoe vaovao tsy vaovao loatra izany tamin’izao taona vaovao izao. Ny tarehy no ratsy dia ny volo no aolankolana, hoy ny fitenintsika malagasy izay. Mbola any amin’izany tokoa ve no lalana? Na ny mpanara-baovao aza tsikaritra ho efa tsy taitra amin’ilay izy intsony. Hiala I Rakoto dia soloina an’I Rabe fa I Rakoto nalana tatsy ho afindra atsy dia hifanao saka sy voalavo ao mandava-taona ohatran’izany foana ve izany sanatria mandra-pahatapitry ny fotoam-piasana? Niala koa iny ny governoran’ny banky foibe dia ho soloina. Ankoatran’ny fampanantenana mitombo nefa ny eo tsy vita amin’ny apahany betsaka fanaon’ny filoham-pirenena isan-taona izany dia fanolosoloina tomponandraikitra no tena hita ho tena mba mameno ny diary politikan’ity fitondrana ity. Ny “serasera an-tsary” eny amin’ny tambazotran-tserasera moa iny talentany efa ela saingy samy miandry ilay porofo tsy azo lavina isika rehetra ankehitriny hoe inona avy, eny, na dia hoe inona fotsiny aza no marika fa efa mipaka isan-tokantrano tokoa izany fanatsarana ny fiainan’ny malagasy izany? Sa ve ireo nanankarena tampoka tato ho ato no tiana ho lazaina amin’izany
? J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap