airtel

Edito

15-avril-2022

Edito

Mihenjana ny tady

Sample post image

Miantso fikaonan-doha ny mpanohitra. Tsy misy mandeha irery intsony izany manomboka eto ka hoe izahay vondrona Panorama na vovonana RMDM na antoko politika Otrikafo na FLN sy izay tsy voatonona hafa rehetra fa dia hoe

15-avril-2022

 andao hivondrona! Andao hijery miaraka aingana ny tokony hanavotana ity firenena ity! Aleo aza tsy asiana fanilihana mihitsy fa dia manasa anareo mpitondra koa mba hiaraka hijery ny tokony hatao manoloana izao loza mitatao amin’ny firenena izao. Indrisy anefa fa dia tamin’ny fomba hafakely mampiharihary ny tsy fahavononan’ny fitondrana hihaino ny hafa sahady no setrin’izany fanasana izany. Efa miomana amin’ny korontana, hono, ny fitondrana. Toa nifanandrify tamin’izay koa moa avy eo ny valintenin’ny solontenan’ny mpanohitra iray hoe ho avy tokoa izany raha tadiavinareo saingy… tena izany tokoa ve izao no ilaina aloha sa ilay voalaza teo hoe fiaraha-mikaon-doha? Mihenjana ny tady hatreto fa dia asa aloha!
J. Mirija 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap