airtel

Edito

12-oct-2022

Edito

Mihevi-tena ho iza marina?

Sample post image

Mandeha fahoany fahoany tsy fantatra na ho aiza na ho aiza ny fitantanana ny firenena fa dia izay handehanany any hidonany.

12-oct-2022

Tsy misy fitantanana mandeha araka ny lojika sy ny zava-misy intsony eto, tsy misy sori-dàlana mazava, tsy misy programa,… fa mandeha amin’ny kisendrasendra eny sisa. Misy zavatra kisampontsampona izay matetika zava-dratsy hatrany no re mila ho isan’andro. Mpitondra Fanjakana manao hadalana etsy, olona ambony mananga-tsampona ero, olana tsy mivaha saika manerana ny sehatra rehetra,… Volan’olona tsy voaloa, grevy etsy sy eroa, asa sy raharaham-panjakana mikatso, makety mirarakopana, fampanantenana manaka-danitra, fampandriana adrisa manara-penitra, fanadiovan-tena lavareny,… Izany no manamarika ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny firenena. Halatra sy afera no manamarika ny olona ambony maro mpiara-dia amin’ny fitondrana, na olom-boatendry na olom-boafidy handrenesam-peo momba izany, saingy manao politikan’ny sokatra nilatsahan-kavandra ka henoy izany ry hazon-damosiko. Mitoetra hatrany ilay tsy mba mety ho diso, mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka, hany ka toa manao gisalahy mangala-ketsa ka ny efa mangalatra no avo vava. Ny olana anefa mitombo, ny fampanantenana betsaka no tsy tanteraka, ny firenena mihemotra, ny tsindry politika mitombo no avy ato anatiny na iraisam-pirenena. Mihevi-tena ho iza marina ireto olona ireto? Mihevi-tena ho mafy sy hanao don-tandroka lava ka asa raha mba mahatsiaro fa mbola nisy mafy sy mazana noho izao raha ny fitondrana nisesy teo na ny mokon-doha na ny fahaizan’ilay Filoha, na ny tanjany,… fa niaraha-nahita ny nahazo azy ireny. Ny fahaizana maka lesona tsy misy, fitantanana tsy manjary midona amin’ny rindrina hatrany,… Izao ve no mbola homena 5 taona manaraka? Mbola lojika ve izany? Dia ho hita eo moa ny tohiny aleo ny ampitso no hitsara azy.
Toky R 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap