airtel

Edito

10-juin-2022

Edito

Mihidy anaty rindrin’efatra

Sample post image

Sarotra ny miady hevitra rehefa mihidy ao anatin’ny rindrina firenena ny mpitantana firenena, ka tsy hanaiky ho diso mihitsy, tsy hiaiky ny lesoka sy tsy vonona mba hanitsy izany,

10-juin-2022

fa dia tonga amin’ilay hoe: izahay aloha izao no eto! Ny zava-misy sy ny vokany sisa no mananatra sy manome lesona ny Fitondrana avy eo, ka rehefa midona amin’ny rindrina araka ny fitenin’ny tanora vao taitra. Manana ny lohany, manana ny hevitra heveriny fa hitondrana ny tany sy ny fanjakana, izay lojika sy tsy azo lavina. Tsy midika anefa izany fa tsy azo toherina sy tsikeraina, na koa afaka manao izay tiany hatao. Tsy fahotana ny miaiky ny tsy fahombiazana, ary tsy misy ny tonga lafatra, azo ahitsy foana ny tsy mety,... Ny mahagaga sy mahatalanjona anefa, arakaraka ny hisian’ny arofanina manitsy ny mpitondra hoe: tsy izao no mety fa izao, tsy io no tokony ho laharam-pahamehana fa ity, tsy any ny làlana fa aria,… no toa vao mainka mampidingin-drambo azy. Potika ny firenena avy eo, kofona noho ny tsy fahombiazany ny mpitondra, miakatra ny maripana politika, tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny, tafiakatra 81% ny tahan’ny olona mahantra farahidiny, tsy voafehin’ny fitondrana ny fandriampahalemana, tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika ny diplaomasia,… Ny paikady anefa tsy mahomby, ny ronono an-tavy no betsaka, ny kolikoly manjaka, ny fiainana ara-tsosialy sy ny toekarena miha mikorosy fahana hatrany hatrany,… vao mitady izay hanilihana ny rihitra. Ny vina sy fandaharan’asa hitantanana ny firenena tsy fantatra mazava intsony. Aiza izao ilay PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) nolazaina fa hampahafantarina tsy ho ela tamin’ny janoary 2021? Ambony ambany ny fitantanana ny firenena avy eo satria tsy misy sori-dàlana, tsy hita intsony izay horaisina: ny delestazy tsy voafehy, ny sandam-bola mitotongana, ny vidim-piainana midangana, ny tany sy mandry fahalemana,… Ho vitan’ny don-tandroka sy famoahana herim-pamoretana hatrany ve ny fandaminana an’izany? Mihevitra ve fa hahomby foana ny herisetra politika hibodoana fahefana kanefa sady tsy mamokatra no mahatofoka vahoaka? Mila mivoaka ao anaty rindrin’efatra mijery mahitsy sy mihaino an-kitsim-po raha tena mbola te hanao politika!
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap