airtel

Edito

12-oct-2021

Edito

Miitatra tsikelikely

Sample post image

Miitatra tsikelikely ihany ny tsy fahatomombanana mitranga eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy vokatr’ity tsy fahaizana mametraka ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena efa averimberin’ny

12-oct-2021

 maro azavaina amin’ireo mpitondra ity, mba tsy hilazana hoe tsy fahaiza-mitantana. Raha fintinina ny tamin’ny herinandro lasa dia isan’izany ny olan’ireo mpitsabo nampifoha ny raharaha Eddy bois de rose, ny olan’ny mpiasa Malagasy, ny olan’ny oniversitem-panjakana sy sehatra miankina amin’ny fanjakana hafa ihany koa. Tsy resahana intsony moa ny fijotson’ny baolina kitra Malagasy indray izay ny irariana dia ny hoe enga anie hanomboka hitsabo azy iny fandresena tamin’ny isa tery dia tery farany teo iny! Niandoha indray iny ny herinandro vaovao dia nivoaka tamin’ny fahanginany hatramin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny hazo sy ala eto Madagasikara. Mbola tsy voavaha koa, hono, ny olan’ireo beantitra nilahatra ny fisotroan-drononony. Asa hoe hanao ahoana iny lafiny iny ho amin’ny anio hatramin’ny zoma. Ny hita aloha, hatreto, dia miha tsy voafehy tsikelikely na inona na inona toe-draharaha. Saika isan-tsehatra io. Toekarena, sosialy, fanatanjahantena, kolontsaina. Ny politika izany moa dia amin’ireo sehatra rehetra voalaza teo ireo fotsiny dia efa samy saika ahenoana ny fanontaniana tsotra mifandraika aminy avy dia tsy inona ireo fa ny hoe inona ny politika hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara? Inona no politika mikasika ny sosialy, ny kolontsaina, ny fanatanjahantena? Inona mihitsy no tena politika mikasika ny fampandrosoana marina eto amin’ity firenena ity sa ho ampatoriana amin’ny makety sy ny fampanantenana tsy mety lany eto foana ve izany ny iray Tanàna ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap