airtel

Edito

29-sept-2021

Edito

Mila alamina

Sample post image

Miha nahazo vahana indray tato ho ato ny asan-jiolahy teto an-drenivohitra : miainga any amin’ny halabotry io, misy koa ny sinto-mahery sy fanendahana.

29-sept-2021

Ny vaky trano sy fanafihana tokantrano, ny fanolanana.Tsy misangy ireo mpanao ratsy fa namanindrona antsy na mitifitra amin’ny basy avy hatrany.Maraina, atoandro, hariva. Alina dia mitaintain-dava.Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hisy mpitandro filaminana hitety Tanana sy hanao fisafoana isan-kalina.Hanara-maso ny zavamisy indrindra fa eny amin’ny faritra mena. Ny hetahetan’ny mponina dia ny hoe : ataovy mandavan-taona mihitsy io resaka “patrouille” io fa tsy hoe mandalo dia miserana tahaka ny fandraisana fepetra rehetra eto ka any am-boalohany fotsiny no mivatravatra fa avy eo lefy tsimoramoa. Efa tena lalim-paka ilay fahasahiranana ka misy tsy te hiasa saina elaintsony fa dia ny mandroba ny an’ny hafa no hitany fa vahaolana mahomby .Miaina anaty fitaintainana ny olona ary lasa manova fomba fiaina mihitsy aza; indraindray toa mahatsapa fa ny samy miaro ny tenany no mety indrindra far aha hiantehitra amin’i Rakoto na Rabe dia taraiky eo. Maro ireo mitazam-potsiny manoloana ny tranga herisetra an-dalambe; raha resaka hoe miantso vonjeo izany moa fa nisy namaky ny tranonao amin’ny alina dia aza manantena firy hoe hisy hivoaka hanavotra eo.Tena tsy ifanomezan-tsiny fa iaraha-mahita ny zavamisy ary tena lahy tokana ny aina.Tsy afa-miala kosa anefa ireo tompon’andaikitra isan-tsokajiny dia ny fokontany, boriboritany, distrika , kaominina, mpitandro filaminana, governemanta fa tsy maintsy manana paikady hiadiana amin’ity asan-jiolahy an-tanan-dehibe ity. Any no tokony atontona izay hanana fa tsy amina resaka werawera, manjelatra vetivety sy fahafinaretan’ny maso fotsiny.Mila fitoniana ny asa, ary raha mbola lavitra ny fanarenana ara-toekarena , tsy aleo ve aloha ilofosana ny sosialy sy ny fiainam-bahoaka e !
RTT
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap