airtel

Edito

19-oct-2026

Edito

Mila mahay mifanoro!

Sample post image

Roa ihany ny mpampianatra,

19-oct-2026

hoy ny andrarezin'ny soratra malagasy, Randja Zanamihoatra, dia ny fiainana sy ny zokiolona saingy aleo anarin'ny zokiolona toy izay anarin'ny fiainana satria mangidy ny fampianaran'ny fiainana ary mangeroka ny enti-mody apetrany. Midika izany, raha ny hevitr'ity mpanoratra ity, fa tsy anjarantsika miara-miriaria mbola am-perin'asa izao mihitsy, raha ny marina, no mifampianatra fa an'ireo efa retirety sy nisotro ronono. Ireo efa nahita fiainana, hoy isika, na koa voky traikefa. Ireny rahateo no azo antoka fa efa nahazo fampianarana tamin'ny fiainana nodiaviny hatramin'izay. Teo amin'ny tao aloha na ilay antsointsika hoe Ntaolo malagasy tokoa dia ireny no napetraky ny fiarahamonina tamin'ny antsoina hoe Raiamandreny, izany hoe, fakàna hevitra sy neverina ho to teny. Ny anjaran'ny ankoatran'ny raiamandreny, araka izany, dia ny mifanoro, raha fiarahamonina no resaka. Na fiarahamonina kelikely toy ny anaty fianakaviana io na fiarahamonina mivelatra toy ny anaty firenena manontolo. Mila mahay mifanoro ny mpiara-monina mba tsy hifanajabaka lava izao toy ny hita hatramin'ny andron'ny "Weraweran'ny fitondràna teo aloha" ka hatramin'ny andron'ny tsangambato nisary itatra ankehitriny. Raha ny tantara aloha no tsiahivina dia ny firenena hatrany no voa tao anatin'ireny fifanajabahana fa tsy fahaizana mifanoro ireny. Nampijabaka ny mpanjaka ny mpamadika tanindrazana nialohan'ny nambaboan'ny frantsay ity firenena ity. Nisy nampijabaka ihany koa izay mokamoka niditra tanaty repoblika tsy niomanana avy hatrany taorian'izany. Maro avy eo ireo nifandimby nampijabaka tanaty tolona tsy nanamafy afa-tsy ny fahantran'ilay firenena hatramin'ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Jerena hatramin'izao koa ny ho tohin'ilay 2025 teo. Asa hoe rahoviana no tena hahay hifanoro fa tsy hifanajabaka intsony!?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique