Firenena ity ny mpanao politika. Fositra ihany koa ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra sy fampiasan’ny vahoaka ny zony araka ny tokony ho izy. Betsaka ny fanabadoana teto, ary mbola mitohy ankehitriny. Efa lasa lamaody ny famadihana pakitao, saingy efa tsy ny palitao intsony aza angamba no mivadika fa zavatra hafa mihitsy. Tsy resaka fankahalana olona na vondron’olona, fa na tiana na tsy tiana, dia ny nokianin’ny vahoaka tatsy aloha sy niray tsikombakomba tamin’ny mpitondra naloam-bahoaka no misora-tena ho tena lohan’ny fanavaozana sy manao fihetsiketsehana etsy sy eroa. Ny tokony hovaina no lasa mijoro ho mpanova, fa ny vahoaka mikisaka manao tazan-davitra sy sanganehana ? Tsy resaka fiantsoana fifandirana sy fifampiatahana, ary ekena fa mitady fahamarinan-toerana politika ny mpitondra, saingy tena azo inoana sy eritreretina ve fa voatazona ny ambara fa fananan’ireo lazaina fa afaka miantoka ny fahamarinan-toerana hery sy tanjaka politika hanamarin-toerana ny fitondrana misy ? Miovaova ny sary politika, miovaova ny firehana sy fironan-kevitra,… fa ny olona sy ny mpanapa-kevitra sasany ny eo ihany no eo, ny fanaovana politika ny eo ihany no eo ! Sao mba tokony handray lesona e !?
Toky R