airtel

Edito

14-mai-2024

Mila mampandroso firenena fa tsy

mpanabado vahoaka !

Sample post image

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

14-mai-2024

Sakaizan’ny mpandresy ». Tsy iza ireo fa ireo olona hita foana ao anatin’izay fitondrana mifandimby eo, ireo ilay antsoina hoe mpamadika palitao na mpijapy « Train ». Ireo ihany koa ireo kandida milaza hoe mahaleotena rehefa mandeha ny fifidianana. Aty aoriana anefa mivadika no mpivarotena politka ireo kandida mahaletena rehefa lany. Ny voninahitra sy ny fitiavana toerana ary ny vola no antony mahatonga izany. Raha olona, mpanao politika manana foto-kevitra mazava dia tsy miovaova hevitra izany. Nanimba ny fanaovana politika teto ilay mamadika palitao ary nahatonga olom-pirenena maro tsy miraka intsony amin’ny raharaham-pirenena fa milaza hoe leo politika. Raha ny tena marina dia leo ny fomba fanaon’ireo mpanao politika ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka satria mahita izy ireo fa lasa mahazo aina sy be nangy, manana fiara raitra, mahatsangana trano be tampoka ny mpanao politika, ny vahoaka anefa ny omaly tsy niova mba tsy hitenenana hoe niha nahantra. Tsy misy nateraka ho sahiran-dava mandrakizay izany anefa fa azo atao tsara ny manatsara ny fiainana, tsy maintsy miova aloha ny toetra sy ny fomba fanaon’ny mpanao politika satria izy ireo no anisan’ny mpitarika ny vahoaka ho liana sy hanaraka akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena. Rehefa ny mpitarika moa no manaotao fotoana, dia tsy atao mahagaga raha mibirioka ihany koa ny vahoaka ; lasa samy manao izay saim-pantany tsy miraharaha izany hoe tany tan-dalàna izany. Tsy mety anefa izany fa tsy maintsy apetraka ny rafitra matotra hitantanana ny fampandrosoana mahomby ary mipaka any amin’ny isam-tokantrano sy ny isam-batan’olona. Rehefa mampiseho ohatra tsara ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana, ireo manampahefana mora ny mitarika ny vahoaka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena.
RTT
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap