airtel

Edito

09-mars-2021

Edito

Mila mijery fitaratra

Sample post image

Herinandro vaovao hiandrasana izay ho tohin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika taorian’ny

09-mars-2021

 hetsika nafampana ny faran’ny herinandro lasa teo no hitsahintsika amin’izao. Mankaiza sy inona ihany no hiafarany. Ny ankilany maneho, fa vao famakiana atody iny, ary mitohy ny tolona. Ny andaniny miziriziry amin’ny heviny sy manasokajy izany ho asa fanakorontanana. Izay mandeha any ambadimbadika sy fifampiresahana tsy ofisialy any ho any tsy hay, fa raha ny zava-misy hita sy iainan’ny besinimaro aloha, dia tsy tena mbola hita taratra ny finiavana hifampihaino. Miziriziry ho manana ny rariny, manana ny tanjaka, manana hery sy ny fahefana. Fomba firesaka matetika ny hoe: hajao ny safidim-bahoaka, mahandrasa fifidianana,… Fa moa ary ve ny nametrahana ny Fitondram-panjakana eo amin’io toerany io hoe: indro ny fahefana ka ataovy izay danin’ny kibonareo revorevon’ny sainareo? Raha resy lahatra amin’ny vina sy fampandrosoana ambara fa efa ataon’ny mpitondra ny vahoaka maro an’isa tsy hisy olona ho voasariky ny mpanohitra fahatany eo. Matoa anefa mikoropaka, mamoaka basy aman-tafondro isaky ny mihetsika, dia mampiharihary ny tsy fahatokisan-tena sy tsy fahatokisana valera. Tsy afaka ny hirehareha amin’ny hoe voafidim-bahoaka, ary tokony ho tsaroana ny elanelam-bato tamin’izany. Na inona na inona resahina sy serasera atao, nihena fa tsy nitombo ny taham-pahanohanan’ny mpanohana ny mpitondra ankehitriny noho ny antony maro ka isan’ny goavana ny fahadisam-panantenana. Tsy voatery hahomby foana ny fanaovana bemarenina satria eo am-pelantanana ny fahefana sy ny basy aman-tafondro. Mety ho poizina hiteraka fahadison-kevitra sy fahatokisan-tena tafahoatra ny fianteherahana amin’izany. Mila maka lesona foana sy tena mila mijery fitaratra amin’ny natao hiatrehana ny mbola hatao.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap