airtel

Edito

18-oct-2021

Edito

Minia mikipy sy tery saina !

Sample post image

Tsy voatery ho mpanohitra avokoa izay mitsikera sy mahita ny zavatra tsy mety, ka mahasahy mamaky bantsilana ny tsy mety. Porofo iray mivaingana ny io ataon’ny Filohan’Antoko iray akaiky kokoa ny fitondrana,

18-oct-2021

 izay naneho ihany koa fa matoa ny olona miteny dia be loatra ny “werawera”, tsy araka ny zavatra tokony ho izy no miseho? Mba hanaiky ho diso amin’izay ve sa dia hiainga amin’ny valin-teny boraingina sy fanandrantan-tena mandavan-taona? Mbola ny fanaratsiana sy ny fanenjehana ny hafa aloha no hihazakazahana ka sanatria ireo akama toa tsy te hijery arina an-tava indray no hahazo vava be? Manaitra ireny fanehoan-kevitra ireny fa izany mpikamban’ny governemanta izany dia tokony ho maodely. Mafy ny filazana fa tsy tokony hisy ny tsy maty manota ao anaty Fanjakana. Tena nisongadina ary nahitsy ny filazana fa misy ny fitavozavozana, ary tokony haloa ny karaman’olona satria rariny izany,… Mba ilaina ihany ny fahalalahan-tsaina, fa tsy efa maneno sahona ny zava-drehetra kanefa mbola avo vava sy manao vava tsy ambina izany. Mariky ny fahalemena sy tsy fahaizana ny krizy amin’ny endriny maro. Io iaraha-mahita io ny eo anivon’ny Jirama, izay namatrapatrarana fa tena nisy ny tsy fahaiza-mitantana. Efa herintaona na herintaona sy tapany izao no nandeha ny tsikera mivaivay mikasika ny mpanohitra momba ny olona notendreny hitantana, fa henoy izany ry hazon-damosiko no setriny. Fotoana lava aty aoriana, nitombo ny fahapotehana,… vao mody hesorina sy hamatrarana ny rihitra ka ilay Lehiben’ny fahefana mpanatanteraka dia te haneho fa madio tànana. Ny mpanohitra angaha no nanendry ny Tale Jeneralin’ny Jirama? Io iaraha-mahita io ny fahapotehan’ny Air Madagascar. Mailaka hitanisa ny sora-bola, fantiantoka no ny fifanaraham-pitantanana nataon’ny Fitondrana teo aloha fa jamba sy madio tànana ary manasokajy tena anjely tamin’ny famotehana natao,… Grevy, fitokonana, olana,… no re etsy sy eroa: oniversitem-panjakana tsy mbola nahazo karama ny mpandraharaha sasany, ny mpanao làlana herintaona mahery tsy nahazo ny volany, ny mpiasan’ny Kraoma nitaraina fa 7 volana tsy nahazo karama, ny mpandanja fiara,… Io ihany koa ny tontolon’ny fanaovan-gazety fa ampidirana fisaraham-bazana noho ny kajikajy politika,… Tena mba mihaino ny feon’ny fieritreretana ihany ve ilay ao ambony ao sa dia mihevi-tena ho tsy ho tratry ny aloka mandrakizay e ?

Toky R

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap