airtel

Edito

24-janv-2023

Edito

Miorina eo ambony faharatsiana

Sample post image

Sanatria ny manenji-dresy, ary tsy ny Fitondrana no resy ao anatin’izao vanim-potoana iainantsika izao fa ny firenena manontolo.

24-janv-2023

Na izany aza, resy tanteraka ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny fahaiza-mitantana firenena, ary toa tsy mahita izay ho raisina intsony. Potika tanteraka ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka, tsy manana vahaolana fa laingalainga sy fitapitaka ary fampanantenana poakaty no fototra iorenan’ilay Fitondrana. Aty amin’ny 4 taona nitantanana ny firenena mbola fampanantenana fa hatao izao sy izao no mameno ny kabary. Raha refesina amin’ny fampanantenana zavan-tany ny zava-bita mety azo hoentina amin’ny sangisangy zary tenany hoe: efa 13% be izao. Fatratra nanenjika sy nanongana ny hafa, fa mby aiza ny vokatra ankehitriny? Samy manana ny adalany sy ny fahadisoany ny mpitondra ankehitriny saingy masiatsiaka ny fitenenana ankehitriny hoe: fa ny an’ity fitondrana ity tena tapitr’ohatra ny ratsy nataony. Matoa nandrodana ny hafa tany amin’ny 13 taona lasa sy nanao amboletra nandrangaranga hery tany amin’ny 4 taona lasa, dia tokony hahavita bebe kokoa noho ireny, saingy ny rehetra no afaka mandrefy ankehitriny hoe: nivoatra ve I Madagasikara sa vao mainka nihemotra any andavaky ny fahantrana lalina tsy hita tao anatin’ny 60 taona lasa? Efa lany andro ny fialana bala, ary tsy noterena na novozonina nilaza fa hanao ny tsy vitan’ny mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona. Raha lazaina isan’andro vaky izao fa efa mandeha ny fampandrosoana, efa mandroso I Madagasikara, tsy mila fanakorontanana intsony ny firenena, mipetraka ny fitokisan’ny mpamatsy vola,… dia ny ao anaty Fanjakana ihany no mifampiapanga fa tsy misy zava-banona, tsy misy fampandrosoana vita, rakotra afera maloto sy kolikoly,… Moa tsy ny mpitondra mihitsy no miaiky izao fa tena ao anatin’ny firenena mihemotra sy fadiranovana na PMA (Pays moins avancés) isika araka ny tatitry ny filankevitry ny governemanta ny 18 janoary? Nambara mantsy fa nankatoavina ny hanatrehan’I Madagasikara ny andiany fahadimy amin’ny “Conférences des Nations Unies sur les Pays Moins Avancés) hatao any Doha Qatar ny 6-9 martsa izao. Raha andalam-pandrosoana no nanasokajiana antsika taloha dia efa ny ratsy noho izany ankehitriny. Tsy finiavana hitanisa ny ratsy sy ny tsy mety, fa misy antony sy tompon’antoka tamin’izany, ka anjaran’ny Malagasy no mandray lesona satria ankatoky ny fifidianana rahateo isika izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap