hoy ny tononkiran-dry zokibe Mahaleo izay nanomboka ny taona 2002 tany ho any. Ny mahagaga anefa dia toy ny rano natondraka tan-damosin’ny gana izany rehefa mijery ny fiainan’ny mpiara-monina eto amintsika sy ny fitantanan’ireo mpitondra antsika ihany koa amin’izao fotoana izao. Tsy mbola misy fahatongavan-tsaina maha resy lahatra hatreto manoloana ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny kere miha mafy any atsimo, ny vidim-piainana miakatra, ny olombelona Malagasy sasany sahy mitonona am-pahibemaso fa hamoy ny ainy mihitsy raha sanatria mbola tsy hihavana ao anatin’izao vanim-potoana mampikatso lalina ny firenena izao ireo mpitondra nifandimby. Izany santionany rehetra izany mbola samy mampihazohazo antsika mianankavy eto ankehitriny fa toy ny tsy misy liana amin’izay tena vahaolana n any mpitondra na ny vahoakany. Ny mpitondra moa mbola te hanohy ny revirevy tsy mipaka any am-bilanin’ny valalabemandry akory. Mbola te hikiry hametraka teleferika, hampitombo kianja manara-penitra, hanangana tanana vaovao na dia tsy mila tenenina firy intsony aza ny zava-misy fa efa izao iaraha-mahita izao. Ny vahoaka indray moa izany, raha ny hita hatreto aloha, dia mbola miaina misimisy kokoa ny efa voalazan’ilay tononkira tamin’ny 19 taona lasa teo hoe aleony mionona tsy miraharaha. Mirary fahatongavan-tsaina na izany aza !
J. Mirija
ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.
Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena