airtel

Edito

02-sept-2021

Edito

Mirary filaminana sy fandresena

Sample post image

Miara-mirona indray aloha izany anio ny Malagasy rehetra izay mbola mahatsiaro tena fa manana ny fitiavana an’ity Madagasikara ity sy mahatsapa ny maha zava-dehibe izany voninahi-pirenena izany.

02-sept-2021

Etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina fahizany izay efa nisalorana ny anaran’ireo mahery fon’ny firenentsika eo amin’ny taranja baolina kitra indray ny maso amin’ity anio ity. Niara-nahita sy nahalala ny niainana am-polo taona maro momba ny fiainantsika Malagasy ity mpanjakan’ny fanatanjahantena ity. Inoana fa samy tsy hisy te aheno intsony izany fehezanteny hoe “marary ny baolina kitra Malagasy.” izany. Tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hatrany hoe “vakiana fotsiny” foana io hatramin’izay satria firenena maro mihitsy no niharan’ny tsy fahombiazana teo amin’ity taranja ity isaky ny nampidirana resaka “politika”. Mirary filaminana sy fandresena aloha ho amin’ny anio. Filaminana eo amin’ny fiatrehana ny tontolo andro, indrindra, eny amin’iny Mahamasina sy manodidina azy iny. Enga anie mba ho feno dia feno ny ambiasy fanohanana ny maitso, fotsy, mena fa tsy ho sanatrian’izany fisavoritahana toy izay efa nisy tany aloha tany amin’ny fandaminana ireo mpijery hanotrona ity fotoan-dehibe eo amin’ny tantaram-pirenena ity. Fandresena kosa no irariana ho an’ny Barea, mazava ho azy, ary enga anie aza ho amin’ny isa mazava mihitsy. Tsy diso angamba raha milaza anio hoe atsahatra kely aloha ny adilahy politika sy ny resaka fahaizana na tsy fahaiza-mitantana eo amin’ny sehatra hafa fa ny azo ambara dia hoe “Alefa Barea!”
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap