airtel

Edito

28-janv-2021

Edito

Mirefarefa amin’ny tany loatra

Sample post image

Miakatra ny haavon’ny fifanandrinana ara-politika eto Madagasikara, saingy

28-janv-2021

 

 

 

miha mirefarefa amin’ny tany ny làlan-tsaina hitondrana azy. Hita taratra io amin’ny fomba fanehoan-kevitra any anaty tambajotran-tserasera, ary efa tsy politika intsony no atao fa efa fanompana, fanalam-baraka, resaka mamoafady,… Tena hita taratra ny fomba fisainana diso mirefarefa amin’ny tany. Ireny no hitezan’ny mpanao politika ny mpanohana azy, ary ny mahagaga, dia tazanim-potsiny tsy misy fandraisana andraikitra na efa hita miharihary izao aza ny zavatra mamoafady tsy fampiseho masoandro. Efa lasa fomba fiady ara-politika io ankehitriny. Asa tokoa hoe mety mba hampihena kely sy ahafaha-manadino ny olana ara-tsosialy, ny krizy mihamafy,… ve ny fifanasana vangy amin’ny resaka mirefarefa amin’ny tany tahaka ireny? Ny tsy azo lavina aloha, dia toa zary lasa fomba fiady politika ny firesahana mandoto olona amina zavatra mamoafady. Rehefa ny foto-kevitra sy ny kitapon-tsaina no tsy ampy, dia ireny sisa no hitondrana ny fomba fiady ara-politika hoenti-miatrika ny fifanandrinana. Na izany na tsy izany, misy lafy tsarany ny fifanandrinana satria mandeha ny mpimason’ny mpitondra eo anatrehan’ny olana miha samihafa. Hita taratra ihany ny tahotra hisian’ny fipoahana, ka mba bedesina aloha ny Jirama na ho any na tsy ho any; ampidirina aloha ny vary mora na tsy ho vahaolana maharitra sy mahasehaka ny Malagasy tsivakivolo aza, ampanantenaina aloha ny fandavahana lava-drano fa sao hiakatra ny daozin’ny fahatezeram-bahoaka,... Mbola ho lava ny lalan-kizorana, raha tarafina amin’ny fampanantenana ka asa re hanao ahoana ny mety ho fivoarany fa hatreto aloha mbola saro-piterahana ilay drafi-pamirapiratan’i Gasikara, izay ny mpamatsy vola nolazaina fa mampahantra firenena no andrasana. Asa rahoviana no ho tanteraka ilay fampantenana tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona hoe: isika indray no hampindrana an’i Kaomoro ?

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap