airtel

Edito

25-août-2021

Edito

Mirefarefa hatrany

Sample post image

Hanao ahoana ihany no hiafaran’ity fiainam-pirenena ity e? Toa miandry izay hiseho, valalanina tanteraka ny ambanilanitra,…

25-août-2021


Tsy hay hoe: avy aiza sy mankaiza isika fa dia mandeha jonjorombona. Tsy misy sori-dàlana mazava hoe: amin’izao fotoana izao ity no toerana misy antsika amin’ny fahantrana, amin’ny fahasahiranana, amin’ny vidim-piainana, amin’ny toekarena,… ary afaka izao andro na izao volana na izao taona isika mba tokony ho ohatr’izao. Fampanantenana etsy, fampanantenana eroa, dinik’asa etsy, fikaonan-doha eroa,… fa ny vokany aloha mbola vahoaka mahantra fadiranovana, mbola ataon’ny sasany fitaovana politika aza ka rahonana amin’ny hoe: tsy mahazo tombotsoa vao tsy miditra amin’ny antokonay! Omaly lazaina fa tsy ilaina ny famatsiam-bola sy findramam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra, anio lazaina fa tena hilaina hanentsenana ny fahatarana ara-pampandrosoana,… Lazaina fa ao anatin’ny 3 andro no hivoaka ny vahaolan’ny vidim-piainana midangana, saingy efa tsy vaovao intsony ny ronono an-tavy sy ny fampanantenana poak’aty. Efa betsaka ihany izay fampanantenana nofaritana hatramin’ny fe-potoana hahavitany izay no nankalaza ny tsingerin-taonany. Ny karine manara-penitra 15 andro izao efa herintaona afak’omaly, ny “digitalisation” 10 andro sy ny solosaina isam-pokontany efa herintaona sy tapany, ny “carte bancaire” ho an’ny mpianatra efa ho enim-bolana,… Ireny eo ihany, fa ity vidim-piainana mampikolay ny daholobe ity aloha dia vitavitaina amin’ny vary mora mitsitapitapy eny. Mamoky vahoaka amin’ny laingalainga sy fampanantenana lava eny, mitokatokana izay azo tokanana eny mba ho endrika ivelan’ny ambara fa fandrosoana,… Mbola manam-potoana hidirana amina zavatra tena iva lenta sy mizotra makany amin’ny toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany aza indraindray. Aiza ve ka hoe: mihetsika ny mpila ravinahitra any ivelany, dia iny koa miditra an-tsehatra ny olom-panjakana mivantana manao hetsika hanoherana an’izany. Tsy mipetraka ho Raiamandren’ny Malagasy intsony ireo manam-pahefana toa tsy manaja tena fa efa manasokajy tena ho Raiamandren’antoko? Izany ve no lalan-tsaina hitondrana ny firenena? Miha mirefarefa amin’ny tany hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap